SNDR: mila fanavaozana

Foto-tsakafo tsy afa-misaraka amin’ ny Malagasy ny vary, ary harem-pirenena ny fananana azy. Misy araka izany ny paik’ady nasionaly (SNDR) ho fampiroboroboana ny voka-bary eto Madagasikara. Efa lany andro izany tamin’ny taona 2020 ka mila avaozina sy ampifanandrifiana amin’ ireo vina sy fanamby lehibe voarakitra ao anatin’ny Plan Emergence de Madagascar (PEM) sy ny Velirano faha 9 napetraky ny Filohan’ ny Repoblika dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay miainga amin’ ny fahavitan-tena ara bary.

Anisan’ ny teboka tsy maintsy ho raketina ao anatin’ izany SNDR izany:(1)ny fampitomboana ny velaran-tany fambolena (100 000Ha) sy ny fanarenana ireo lemaka famokarana vary,(2)ny fampiaharana ireo teknikam-pambolena mahomby avy amin’ ny voka-pikaroana maro samihafa sy ny fampiasana masomboly nohatsaraina,(3)ny fandinihana ny fiovaovan’ny toetr’andro,(4)ny fampandraisana anjara bebe kokoa ny fahefana eny amin’ ny kaominina sy distrikta,(5)ny fampandraisana anjara ny tsirairay ao amin’ ny lalam-pihariana vary,(6)ny fampiasana ny tekolojia toy  ny“digitalisation”.

Notanterahina ny 26 janoary 2021 ny atrikasa fanavaozana ny paik’ady nasionaly izay niara-niasan’ny MAEP tamin’ ny “Coalition pour le Développement de la Riziculture en Afrique” (CARD) ary notohanan’ ny JICA. Izany no nataoho fananana paik’ady mazava sy sori-dalana ho arahin’ ny rehetra ahafahan’ ny mpisehatra rehetra mahita ny toerana misy azy sy ny anjara birikiny eo amin’ ny fanatrarana ny tanjona izay napetraky  ny Fitondram-panjakana Malagasy.

La SNDR doit être actualisée.

Le MAEP en collaboration avec la Coalition pour le Développement de la Riziculture en Afrique (CARD) et le soutien de la JICA ont organisé un atelier sur la revue et l’actualisation de la Stratégie Nationale de Développement de la riziculture qui s’est déroulé  le 26 janvier 2021 à l’Hôtel PANORAMA, Andrainarivo.

L’objectif est d’avoir une stratégie correspondant à la vision et au défis inscrit dans le Plan Emergence de Madagascar (PEM) pour le secteur agricole et au Velirano N°9 qui est l’autosuffisance alimentaire, notamment l’autosuffisance rizicole ; puis, de partager une vision commune et cohérente pour tous les acteurs de la chaîne de valeurs riz dans le but d’accroitre la productivité rizicole.

La nouvelle SNDR devra donc intégrer : (1)l’extension des périmètres irrigués via des aménagements neufs sur 100 000 ha et la réhabilitation des périmètres irrigués (2)la vulgarisation et la dissémination des techniques culturales améliorées et la vulgarisation de semences améliorées (3)la considération des effets du changement climatique (4)l’adoption d’approche qui mise sur la décentralisation et les déconcentrations des services étatiques, (5) la responsabilisation de toutes les parties prenantes de la chaine de valeur rizicole à savoir, les producteurs, collecteurs, transporteurs transformateurs, vendeurs et consommateurs (6)l’ utilisation des nouvelles technologies telles que la digitalisation.

Retour

Comments are closed.