« Any amin’ny faran’ny volana martsa any isika vao afaka manamarina, raha sanatria mitohy ny tsy fisian’ny orana sy ny tsy fahampian’ny rano, hoe hihena hatraiza ny voka-bary »

Izany no nambaran’ny Ministry ny fambolena, fiompiana ary ny jono, Lucien RANARIVELO, nandritra ny fitsidihana nataony tao amin’ny ivontoerana CGARD, ny zoma 22 janoary lasa teo.

Ny fahataran’ny rotsak’orana dia misy fiantraikany tokoa amin’ny fambolena vary aloha ary maro ireo toerana eto amin’ny faritra Analamanga no tsy nahavita fambolena. Mbola afaka manantena anefa isika, hoy ny Minisitra, fa raha misy rano sy orana tsara, dia ho azo atao tsara ny manetsa hatramin’ny 15 febroary raha farafahatarany. Ny sampan-draharaha famantarana ny toetr’andro (METEO) rahateo dia naminavina fa ho betsaka noho ny isan-taona ny rotsak’orana amin’ity volana febroary sy martsa ity.

« Raha androany dia mbola tsy afaka miteny isika hoe tena ho sahirana ara-bary satria fotoana mbola ahafahana manetsa sy anenjehana ny fahataràna izao », nanamafy hatrany ny Ministra.

Ny MAEP moa dia efa manomana sahady ny « contre-saison » hanarenana ny mety ho fahavoazana. Vonona ihany koa ny Ministera hanohana ireo mpamboly eto afovoan-tany izay vonona hanao ketsa martsa ka hanaraka ireo fepetra ara-teknika. Marihina fa tsy manerana ny Nosy izany olana fahataràn’ny rotsak’orana izany. Ny taon-tsary nalaina avy @zana-bolana narahana fidinana ifotony nataon’ny ivontoerana CGard dia manamarina fa misy faritra sivy, anisan’izany i Menabe sy i Atsimo Andrefana, izay afaka namboly tsara sy efa miaka-bokatra ka afaka hamatsy tsara ny faritra hafa. Marina fa misy ny fahavoazana, hoy ny Ministra, fa tsy izany akory no taratry ny fambolem-bary eto Madagasikara sy mety ho taratry ny voka-bary amin’ity taom-pamokarana ity.

Comments are closed.