Toromarika sy fomba fijery mitovy no nomena an’ireo tomponandraikitra voalohany rehetra ao amin’ny MAEP.

Notontosaina nandritra ny hateloana tao amin’ny CFFAMMA Antsirabe ny fivorian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, fivoriana natao hanomezana toro-marika hisian’ny fomba fijery mitovy ho an’ireo tompon’andraikitra voalohany  ao amin’ ny MAEP ho fanafainganana ny fanatanterahana ny asa rehetra mifandraika amin’ny PGE sy ny velirano napetraky ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA ho an’ ny sehatry  ny famokarana dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nandritra ny telo andro dia niaraka nifandinika ireo tompon’ andraikitry ny Ministera na avy any amin’ ny Faritra (DRAEP) na ireo avy eto an-toerana momban’ ny fametrahana ny rindran-damina rehetra mifandraika amin’ ireo asa lehibe sy ireo tanjona imasoan’ ny MAEP.

Teboka maro no voaresaka sy voadinika nandritra ny fotoana dia ny fandrindrana ny lamin’ asa, ny momban’  ireo fepetra sy toromarika mahakasika  ny fandraiketana ny tsenam-baro-mpanjakana « passation de marché » ary ny fitantanana ny maha olona sy ny fanaparitahana ny mpiasa any amin’ny faritra. Nodinihina nandritra io fotoana io ihany koa ny momban’ ny fanamafisana sy ny fandrindrana ny serasera sy ny fampitam-baovao eo amin’ ny MAEP.

Tratra tokoa ny tanjona lehibe kendren’ ny tompon’ andraikitra voalohan’ny MAEP tamin’ ny fanatanterahana izao fivoriana izao satria dia mazava ny lalana tokony  hizoran’ ny tsirairay amin’ ny fanatrarana ireo tanjona sy vina lehibe an’ny Fitondra-mpanjakana Malagasy. Mitaky fandavantena, finiavana ,fahavononana, faharisihana, fifampitokisana, fifanampiana ary firaisankina eo amin’ny mpitarika sy ireo mpiasa ny fanantanterahana ireo adidy sy andraikitra izay iantsorohan’ny ministera.

La mise en œuvre et l’atteinte des objectifs du MAEP nécessitent un fort engagement de la part de chacun.

Le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche a organisé une séance d’orientation stratégique pendant trois jours au CFFAMMA Antsirabe. L’objectif est de favoriser une excellente appropriation par tous les responsables du MAEP de tous les grands défis de l’émergence conformément  à la vision du Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA et des grandes orientations politiques et stratégiques liées aux trois secteurs Agriculture, Elevage et Pêche.

Durant ces trois jours, les responsables se sont concertés afin d’assurer une meilleure programmation, une meilleure planification et une mise en cohérence des activités pour l’année 2021 et d’assurer également une conduite efficace des grands chantiers inscrites dans le PGE et le PEM.

De nombreux thématiques ont fait l’ objet de discussion tels que la programmation, les différentes procédures de passation de marché, la gestion des ressources humaines et la mise en place et le renforcement des mécanismes de programmation au niveau central des activités de communication pour le développement multisectoriel du secteur Agriculture.

A l’issue de cette journée d’orientation les différents responsables ont une meilleure compréhension des grands défis et des grands objectifs qui leurs sont assignés. A cette occasion le numéro 1 du MAEP n’a pas manqué de rappeler que la mise en œuvre et l’atteinte de ces objectifs nécessitent plusieurs attitudes et valeurs de la part des responsables telles que la solidarité, la loyauté, l’intégrité, et surtout un fort engagement de la part de chacun.

Retour

Comments are closed.