Ny tetikasa « titre vert » : fanomezana tany ireo tanora mpamokatra

Ny tetikasa « titre vert » dia natao hametrahana ireo mpamokatra any amin’ireo faritra izay velomin’ny Governemanta, amin’ny lafiny fanohanana ara-toe-karena sy ara-tsosialy. Miovaova arakaraka ny tsy fahampiana sedrain’ny mpamokatra ny vahaolana naroso fa ny foto-kevitra iraisana dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny famokarana maharitra izay hahafahana manohana ny tahirim-bola amin’ny fametrahana ireo famokarana tantanam-pianakaviana ireo, izay aroson’ny fandaharanasa FIHARIANA.

Ny tetikasa dia miainga amin’ny famantarana ireo tany manana ireo toetra fototra ahafahana mampihatra ny fambolena sy ny fiompiana ka ahazoana tombony, toy ny fisian’ny rano, tany marina ary akaikin’ny tsena. Ny fisafidianana ireo mpamokatra izay hipetraka amin’ireo toerana ireo dia  mifanaraka amin’ny ny drafi-panajariana ny velaran-tany.

Tanjona ny hanomezana kara-tany maitso miisa 22 000 hatramin’ny taona 2023 amin’ny faritra 22 eto Madagasikara, ka tetikasa fitaratra 2 no atao laharam-pahamehana.

Taorian’ny fitsidihan’ny filohan’ny Repoblika tany amin’ny tapany atsimo tamin’ny volana oktobra, izay nahitany ireo mponina marefo vokatry ny kere, dia napetraka ny tetikasa « titre vert d’Agnarafaly », ho an’ny velaran-tany 250ha, ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo. Ny dingana voalohany hatao dia ny hitrandrahana 40ha, ka ny 24ha hatao saha fambolena, ny 6ha ho fonenana sy tobim-piompiana (osy sy akoho amam-borona), ny 10ha dia hatao kijana iombonana miaraka amin’ny famatsianarano madio sy rano fanondrahana amin’ny alalan’ny lava-drano. Tokan-trano miisa 120 no hahazo tombontsoa amin’izany.

Any amin’ny faritr’I Vakinankaratra, ny tetikasa « titre vert d’Antsirabe », ho an’ireo tanora mpandraharaha moderina dia ampiharina amin’ny toerana 2. Ao Antsoatany, tany mahavokatra 39ha, miaraka amin’ny fototra ahafahana miaina, hozaraina 1ha/JEM, misy rano avy amin’ny lava-drano ary anaty tontolo tobim-piompiana efa tena mivelatra.Toerana natao ho an’ny voly soja sy voly katsaka, ary fiompiana akoho fakana nofo sy fanatavezana kisoa ary fambolena legioma. Ao Andranomanelatra, velaran-tany mamokatra miisa 2, an’i FIFAMANOR, mirefy 94ha, hozaraina 1ha/ JEM, misy lava-drano natao hiompiana ombivavy be ronono, azo ambolena vilona JUNCAO ny 50 ares/ JEM ary koa zaridaina fambolena legioma.

——————————————————-

Le projet  titre  verts pour l’installation de jeunes exploitants en accédant au foncier

Le projet titre vert est un concept de relocalisation d’exploitants agricoles sur des sites viabilisés par le Gouvernement, suivant une logique d’appui économique mais aussi social. La formule proposée varie suivant la précarité des exploitants mais le principe reste la mise sur pied de capacités (1) d’autosuffisance alimentaire, et (2) de productions durables qui permettront par la suite de supporter les fonds d’installation de ces nouveaux exploitants agricoles familiaux qui seront avancés par le programme FIHARIANA.

L’idée consiste à identifier des terrains favorables avec des caractéristiques de base pour déployer une Agriculture rentable à savoir : présence d’eau, terrain plat et accessibilité par rapport à une zone de débouchés de marché. La sélection des futurs occupants s’en suit avec le plan d’aménagement des parcelles. L’objectif est d’attribuer 22 000 titres verts jusqu’en 2023 dans les 22 régions de Madagascar. Deux projets pilotes sont priorisés.

Dans le Sud du pays suite à la visite du Président de la République au mois d’octobre constatant la grande vulnérabilité des populations due au Kere, le Projet Titre Vert d’Agnarafaly sera mis en œuvre sur un site de 250 hectares dans la commune rurale d’Ifotaka, district d’Amboasary Sud. Une 1ère phase consistera à l’exploitation de 40 hectares par 120 ménages bénéficiaires, constitués de 24 ha de champs, 6 ha d’habitation et ferme (caprin et aviculture) et 10 ha de pâturage communautaire avec une alimentation en eau potable et en eau d’irrigation par forage.

Dans le Vakinankaratra, le Projet Titre Vert d’Antsirabe pour jeunes entrepreneurs modernes (JEM) sera mis en œuvre dans deux sites.

A Antsoatany, sur un terrain fertile de 39 ha avec base vie, réparti sur un ha/JEM, avec disponibilité en eau par forage, dans un environnement fermier déjà très développé. Site destiné à la culture de soja et maïs, l’élevage de poulet de chair et de porc d’engraissement et au jardin potager. A Andranomanelatra, deux parcelles du FIFAMANOR sur un terrain fertile de 94 ha avec base vie, réparti sur un ha/JEM, avec disponibilité en eau par forage, destinés à l’élevage de vaches laitières, la plantation de plantes fourragères Juncao sur 50 ares/JEM et au jardin potager.

Retour

Comments are closed.