Vovonana Nasionaly Ifanakalozan-kevitry ny Lalampihariana Akoho Gasy

Atrika fananganana ny “Vovonana Nasionaly Ifanakalozan-kevitry ny Lalampihariana Akoho Gasy” izay notanterahin’ny MAEP, ny  Zoma 18 Desambra 2020 teny Soavimbahoaka.

Rafitra ifanakalozam-baovao sy hevitra amin’ny fitondram-panjakana mahefa, ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola ary ny tetikasa momba ny fampitoviana ny fahaiza-manao sy fikarohana vahaolana amin’ireo vato misakana amin’ ny fampandrosoana ny lalampihariana.

Tanjona ny fanampiana ny mpisehatra rehetra amin’ny fandraisan’anjara ny fampiroboroboana, ny fampandrosoana, ny fiarovana ary ny fampaharetana ny lalampihariana akoho gasy eto Madagasikara.

30 tapitrisa no isan’ny akoho amam-borona eto Madagasikara, 80% dia akoho avokoa ary 5 tapitrisa ihany anefa no akoho gasy. Tanjon’ny Ministera ny ampitombo avo roaheny ny isan’ny akoho gasy ka hamokatra 5 tapitrisa ambony isan-taona.

Afin d’atteindre l’autosuffisance alimentaire, une production de 20 millions de poussins pour un élevage durable, loin des maladies est l’objectif du MAEP. À cet égard, un atelier pour la mise en place de la plateforme nationale du poulet gays a eu lieu le Vendredi 18 Décembre 2020 à Soavimbahoaka, un système permettant aux éleveurs d’échanger des idées ainsi que des informations avec le Gouvernement, les partenaires, les bailleurs et les projets.

L’objectif est d’aider tous les acteurs à contribuer à la promotion, au développement, à la protection et à la durabilité de la filière poulet gasy à Madagascar. Il y a 30 millions de volailles à Madagascar, 80% sont des poulets et seulement 5 millions sont des poulets gasy. Le ministère vise à doubler le nombre de poulets gasy pour en produire 5 millions de plus par an.

Retour

Comments are closed.