SNDAM nohavaozina : hihatra manomboka ny faran’ny febroary 2021

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana malagasy ny famokarana ho lovain-jafy ny harena anaty rano. Tanjon’ny MAEP ihany koa ny hanitatra ny fiompiana trondro ho amin’ny sehatra lehibe kokoa sy hampanaraka fenitra ny famokarana anaty rano eto Madagasikara.
Anisan’ny mampidi-bola betsaka ho an’ny fanjakana malagasy ny jono ary manampy amin’ny fanatràrana ny velirano fahasivin’ny Filoham-pirenena ny fampiroboroboana azy.
Nisy ny fanavaozana ny SNDAM na Paik’ady Nasionaly ho fampandrosoana ny harena anaty rano eto Madagasikara, izay efa nasiam-panavaozana ny taona 2005 sy 2010 ; sy fananganana ny drafi-pampandrosoana ho an’ny seha-pihariana lomotra, janga ary drakaka,
ary ny fanaingana ofisialy izany paik’ady izany, ny 22 desambra 2020 tao Ampandrianomby, izay notarihin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Jono, BEMANAJA Etienne. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana malagasy ankehitriny ny fampiroboroboana ireo seha- pihariana ireo.
Hivoaka ary hanomboka hihatra ny faran’ny volana aprily 2021 ity SNDAM nohavaozina ity.


Fitrandrahana lomotra ao amin’ny faritra Vohémar
Manoloana ny fanjonoana lomotra nataon’ny teratany vahiny tao amin’ny faritra Vohémar, izay niteraka savorovoro tamin’ireo mpanjono madinika any an-toerana, dia efa nahato avy hatrany tamin’ny asany izy ireo. « Accord de principe» hanaovana andrana mandritry ny 1taona no nomena azy ireo, izay efa tapitra ny faharetany ary mbola tsy nisy ny fahazoan- dalana hitrandraka nomena azy ireo hatramin’izao. Giazana avy hatrany noho izany ny vokatra voaangony raha minia manohy ny asany izy ireo.

SNDAM mis à jour: entrera en vigueur à partir de fin février 2021
L’exploitation durable des ressources halieutiques fait partie de la politique de l’Etat malagasy. Le MAEP vise la pisciculture à grande échelle et la modernisation de la production aquatique de Madagascar. La pêche est l’une des principales sources de revenus du
gouvernement malgache et sa promotion permet d’atteindre le Velirano9 du président.
Une révision de la SNDAM ou Stratégie Nationale de Développement de l’Aquaculture à Madagascar, qui a été déjà révisée en 2005 et en 2010, et l’élaboration des Plans de Développement des 3 filières Algoculture, holothuriculture et de crabiculture, activités financées par le projet SWIOFISH2 ont eu lieu le 22 décembre 2020 à Ampandrianomby, par la présence du Directeur Général de la Pêche et de l’Aquaculture, BEMANAJA Etienne.
La promotion de ces secteurs est l’une des priorités du gouvernement malgache. Ce SNDAM mis à jour sera publié et entrera en vigueur la fin du mois d’avril 2021.


Exploitation d’algue dans la Région de SAVA
Par rapport à la pêche illégale d’algue par les étrangers à Vohémar qui fait néfaste aux petits pêcheurs locaux, une note de cessation d’activité leurs a été déjà remis. Un “accord de principe” pour une période d’essai d’un an leur a été délivré et a déjà expiré en 2019. Le MAEP ne leur pas remis de permis d’exploitation, du fait qu’ils n’ont jamais régularisé leur
situation depuis leur installation, ils ne paient pas de ristournes à la commune et ils n’ont pas de papiers en règle pour cette activité. Les produits collectés seront donc immédiatement
saisissés en cas de continuité intentionnelle de l’activité d’exploitation.

Retour

Comments are closed.