Ilaina ny fametrahana vovonana ahafahana mampiroborobo ny lalam-pihariana dingadingana!

Ny dingadingana na ny « Concombre des mers » dia hazandrano manana ny lanjany ambony eo amin’ny sehatry ny varotra. Raha eto Madagasikara dia ireo mpanjono madinika no tena mitrandraka azy. Vokatra fanondrana ny dingadingana ary mbola tsy fahita eo amin’ ny tsena anatiny.Ny karazany fahita indrindra dia ny « Holothuria Scabra ».

Maro ireo mpisehatra eo amin’ ny lalam-pihariana dingadingana, anisan’ izany ny mpanjono, ny mpanangom-bokatra ary ny mpanondrana. Ankehitriny anefa dia manomboka mitaraina ireo mpisehatra ireo nohon’ ny fihenan’ ny vokatra. Anisan’ny antony mahatonga izany ny fitrandrahana ireo dingadingana tanora tsy ampy refy, ny tsy fahandriam-pahalemana amin’ireo toerana fiompiana manoloana ny halatra, ny jono tsy ara-dalàna ary ny fihenan’ny kalitao.

Fametrahana vovonana

Lalam-pihariana maro eo amin’ny sehatry ny Jono no mitovy olana amin’ ny lalam-pihariana dingadingana ankehitriny. Mba hisian’ ny fitantanana maharitra sy ho lovainjafy eo amin’  ny sehatry ny jono, araka izany dia nanapa-kevitra ny MAEP miaraka amin’ny tetikasa SWIOFish2 ny hanao laharam-pahamehana amin’ny fitantanana lalam-pihariana 4 hafa toy  ny drakaka, makamba, oratsimba ary ny poisson demersaux. Tafiditra ao anatin’ izany fitantanana maharitra izany ny fametrahana vovonanana hahafahana mitantanana sy mampiroborobo ireo lalam-pihariana ireo.

Raha ho an’ ny lalam-pihariana makamba dia efa misy ny GAPCM. Ny poisson demersaux kosa dia natsangana tamin’ ny volana novambra, ny kaomity hamolavola ny rafitra sy ny fandrindrana ary ny fomba fiasa ao amin’ ny vovonana.

Ho an’ ny lalam-pihariana dingadingana dia notanterahina ny 10 sy 11 desambra 2020 tany Ambanja ny atrikasa fakan-kevitra amin’ny fomba hananganana vovonana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ izany lalam-pihariana izany. Atrikasa isam-paritra izay nampivondrona ireo mpandray anjara avy amin’ny Faritra Avaratra ahitana ny Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, SAVA, Diana ary Sofia. Tanjona tamin’izany ny fampivondronana ireo mpiara miombon’antoka amin’ny sehatr’asa sy ny solontenan’ny fitantanana ny Jono, ka hisian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny toe-java-misy eo amin’ny sehatry ny lalampihariana dingadingana.

Vondron’ ireo mpisehatra hoan’ny faritra avaratra

Nandray anjara tamin’ izany ny solotenan’ireo mpisehatra avy amin’ny Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, Sofia, Diana ary SAVA miaraka tamin’ireo tompon’andraikitra voakasik’izany. Ny famantarana ny zava-misy ankehitriny sy ireo olana eo amin’ ny fitrandrahana sy ny fanatsarana ny fomba fitantanana io lalam-pihariana io no votoatin-dresaka nandritra ny atrikasa izay niafara tamin’ ny fananganana ny vondron’ ireo mpisehatra amin’ ity lalam-pihariana dingadingana ity any amin’ ny Faritra Avaratra na GAH (Groupement des acteurs de l’Holothurie).

Ankoatran’ ny fananganana ny vondron’ ny mpisehatra dia niombon-kevitra amin’ ny fanatanterahana fandinihana vaovao momba ny lalam-pihariana dingadingana, ny fanavaozana ireo lalàna isan-karazany mifandraika amin’izany, ny fampiroboroboana ny fiompiana ary ny fametrahana fanatodizana ireo mpandray anjara. Ny faritra avaratra moa no nsafidian’ny MAEP ho Faritra anaovana izany toerana fanatodizana izany.

Natao ho santatra ihany iny atrikasa notanterahina tany amin’ ny Faritra avaratra iny fa mbola hisy ny any amin’ ny ireo Faritra hafa hahafahana maka ny hevitr’ ireo mpisehatra hafa.

—————————————————————————————————————-

Filière concombre des mers: mise en place d‘ une plateforme pour mieux développer la filière

L’holothurie ou concombre des mers représente une valeur commerciale élevée. A Madagascar la pêche à l’ holothurie est pratiquée par les petits pêcheurs par cueillette au lieu, à pied et en plongée. Ce produit est destiné uniquement à l’exportation sous un état traité appelé trépang. L’espèce la plus répandue est l’holothuria Scabra.

La filière holothurie implique beaucoup d’acteurs parmi lesquels : les pêcheurs, les mareyeurs, les collecteurs et les exportateurs. Malheureusement ces acteurs se plaignent aujourd’hui d’une baisse conséquente de la production. Cela s’explique en partie par la raréfaction de certaine espèce, à cause des captures de juvéniles, par l’insécurité des sites d’élevage face aux vols, la pêche illégale et  la diminution de la qualité de l’holothurie.

Mise en place d’une plateforme

De nombreuses filières du secteur halieutique souffrent aujourd’hui des mêmes problèmes que la filière holothurie.Dans le cadre d’une gestion durable du secteur de la pêche, le MAEP avec l’appui du projet SWIOFish 2 ont priorisé la gestion de 4 autres filières dont la filière crabe, crevette, langouste et poissons démersaux et prévoient la mise en place de plateforme dans le but de mieux développer ces filières. La filière crevette dispose déjà du GAPCM en ce qui concerne la filière poisson démersaux un comité adhoc a été récemment mis en place. Pour ce qui est de la filière holothurie le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche avec l’appui du projet SWIOFish ont organisé un atelier de réflexion sur la mise en place d’une plate forme les 10 et 11 décembre 2020 à Ambanja. Il s’agit d’un atelier régional qui regroupe les acteurs de la zone nord incluant les régions Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, SAVA, Diana et Sofia. Cet atelier avait comme objectif de réunir les acteurs de la filière et les représentants de l’administration de la pêche afin qu’ils puissent s’échanger sur la situation actuelle de la filière holothurie.

Un groupement pour la zone nord.

Les différents acteurs de la filière holothurie ont été représentés lors de l’atelier. Tous les problèmes et difficultés ont été soulevés et exposés durant les deux jours. A l’issu de la réunion de nombreuses résolutions ont été prises dont la mise en place d’un comité Adhoc pour la zone nord.  Ce dit comité a été dénommé Groupement des Acteurs de l’holothurie et servira d’interface entre l’administration de la pêche et les opérateurs et pêcheurs. Hormis la création d’un comité adhoc les participants se sont mis d’ accord sur la nécessité d’une nouvelle étude sur l’holothurie, la mise à jour des différentes législations relatives à la filière, le développement de l’élevage et la mise en place d’écloserie. A ce sujet la partie nord a été choisie par le MAEP comme zone pilote pour la mise en place d’une écloserie.

Cet atelier marque le début d’un processus pour la mise en place d’une plateforme nationale puisque d’autres ateliers de concertations seront organisés dans d’autres régions de la grande île.

Retour

Comments are closed.