Hapetraka ny “guichet unique” ho an’ny fanavaozana sy fanomezana ny karatra maha-mpanangom-bokatra an-dranomasina sy an-dranomamy eo amin’ny sehatry ny jono

Mifarana ny vanim-potoana fanangonam-bokatra an-dranomasina ho an’ny taona 2020 eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miisa 1400 eo ho eo ny fahazoan-dalana hanangombokatra nozarain’ny avy eo anivon’ny DGPA ary  manodidina ny 1 miliara sy 500 tapitrisa kosa ny tamberim-bidin’ny jono  ho an’ny fanjakana Malagasy tamin’ity taona ity. Hanomboka ny 15 desambra 2020 ho avy izao, ary hifarana ny 31 martsa 2021 ny fanavaozana sy ny fanomezana karatra maha-mpanangonam-bokatra ho an’ny taona 2021.

Mba hampangarahara hatrany ny fitantanana eo amin’ny sehatry ny jono sy hanamorana ny fikirakirana ny antontan-taratsy momba ny fahazoan-dalana hanangom-bokatra dia misy ny fametrahana “guichet unique” eo anivon’ny MAEP. Ao amin’ny efitra laharana faha21 eo an ivon’ny sampan-drahraha misahana ny jono Ampandrianomby no hanatanterahana izany.

Manoloana ny tanjon’ny fitantanana ara-drarany ny sehatry ny jono, dia mandray fepetra avy hatrany ny MAEP ho an’ireo izay minia mandika lalàna amin’izany asa fanangonam-bokatra izany, ka haato avy hatrany amin’ny asany izy ireo ary giazana avokoa ny vokatra any aminy.   

Efa mandeha ihany koa ny fametrahana ny masoivohon’izany “guichet unique” izany, miisa 5 amin’ny faritra vitsivitsy eto Madagasikara ho fanaraha-maso ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny jono manerana ny nosy.

__________________________________

La campagne de collecte des ressources halieutiques 2020 à Madagascar touche à sa fin. Pour cette  campagne 2020,  1400 permis de collecte ont été délivrés par le MAEP à travers la DGPA et les redevances de la pêche s’élèvent à près de 1 milliard et 500 millions Ariary. La campagne 2021 commencera très bientôt. Le renouvellement et la remise des permis de collecte pour l’année 2021 se feront du 15 décembre 2020 jusqu’ au 31 mars 2021.

Afin de garantir la transparence et faciliter le traitement des demandes de permis de collecte,     un « guichet unique » a été mis en place au sein de la Direction Générale de la Pêche et Aquaculture à Ampandrianomby dans la salle 21.

Dans l’objectif d’une bonne gouvernance du secteur de la pêche, le MAEP prendra des mesures immédiates pour ceux qui ne respectent pas la règlementation en vigueur: leurs activités seront immédiatement suspendues et leurs produits seront confisqués. 5 nouvelles antennes pour la surveillance des activités de pêche seraient également en cours de mise en place.

Retour

Comments are closed.