Fandraharahana eny ambanivohitra: tanora 236 no navoakan’ny PEJAA ary 140 no hokotrehana

Tanora miisa 236 no hisehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eny ambanivohitra rehefa avy nokotrehina nandritra ny 11 volana teo anivon’ireo ivon-toerana PEJAA izay fandaharanasa eo ambany fiahian’ny MAEP, miara miasa amin’ny ivon-toeram-pikarohana IITA ary vatsian’ny BAD vola. Ny PEJAA dia miompana amin’ny fanofanana tanora ho lasa mpandraharaha amin’ny lafiny famokarana sy fanodinana ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompina ary jono. Izany dia mifandraika amin’ny vina ankapobeny sy ny politikan’ny Fitondram-panjakana dia ny fanomezana asa mendrika ny tanora sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana. Mari-bola mitentina 5.725.000 000 Ariary no natolotry ny BNI Madagasikara ho fampindramam-bola ireo tanora izay hanatanteraka ny tetikasany ka navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 13 Novambra 2020 tao amin’ny SEFAFI Vohipeno. Notanterahina nandritra io fotoana io ihany koa ny fandraisana ireo tanora 140 hiatrika ny fikotrehana andiany fahatelo. “Ho mpandraharaha mendrika, hitondra fanavaozana sy fampandrosoana fakan-tahaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra” izy ireo hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien RANARIVELO nandritra ny lahateniny.

Cérémonie de sortie de la première et deuxième promotion et rentrée officielle de la troisième promotion PEJAA

236 jeunes entrent dans le domaine de l’entrepreneuriat rural après 11 mois d’incubation dans les centres du Programme PEJAA sous tutelle du MAEP, en partenariat avec le Centre de recherche IITA et financée par la BAD. Le PEJAA qui a pour objectif de créer des emplois le long des chaines des valeurs agricoles, de réduire le chômage des jeunes et de la transformation des produits agricoles afin de générer des revenus dans le secteur Agriculture. Un objectif qui réponds à la Politique Générale de l’Etat qui vise la création d’emploi pour les jeunes et la promotion du secteur Agricole. Un chèque d’un montant de 5.725.000.000 Ariary a été attribués aux jeunes sortants en guise d’emprunt de la BNI pour les appuyer dans leurs projets.  La cérémonie de remise de chèque aux jeunes agripreneurs de la 1er et 2e promotion d’agripreneurs du programme PEJAA) et la rentrée officielle des 140 jeunes de la troisième promotion a été célébrée le 13 Novembre 2020 au SEFAFI Vohipeno.

 « En tant qu’entrepreneurs responsables, ils apporteront innovation et développement exemplaire au monde rural » selon le Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, Lucien RANARIVELO dans son discours.

Retour

Comments are closed.