Tantsaha miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tantsaha any amin’ny faritra Anosy sy ny fitondram-panjakana dia napetraky ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono tamin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS ny birao rezionalin’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra na TTM, izay ivondronan’ireo tantsaha ao anatin’ny famokarana tantanim-pianakaviana eo amin’ny sehatry ny Fambolena na Fiompiana na Jono.

Anisan’ny tanjom-pisiany ny mitondra ny hafatr’ireo tantsaha mpamokatra maro an’isa makany amin’ny MAEP sy ireo rantsa-mangaika isan-tsokajiny hanatsarana ny famokarana. Amin’ny alalan’ny TTM ihany koa no hanofanana ireo tantsaha momba ny teknikam-pamokarana samy hafa.

Ny tantsaha mpamokatra moa no anisan’ny miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity ivon-toerana ity ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA niaraka tamin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien RANARIVELO.

Toujours pour la consolidation de la collaboration entre les producteurs issus de la Région Anosy et l’Etat malagasy par le biais du Programme DEFIS qui est un Programme sous tutelle du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, et financé par le FIDA, un bureau régional de la Chambre d’Agriculture ou le “Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra” unissant les Exploitants Agricoles Familiales (EAF) œuvrant dans les secteurs de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche a été mis en place.

Une des raisons d’être de cette organisation est de représenter les producteurs pour le dialogue avec l’Etat sur la politique agricole et de devenir un partenaire du secteur privé dans l’agribusiness notamment à travers l’Agrégation.

Rappelons que les producteurs se présentent parmi les acteurs garantissant l’autosuffisance alimentaire.

Ce bureau a été inauguré par le Président de la République de Madagascar Andry RAJOELINA en présence du Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, Lucien RANARIVELO.

Retour

Comments are closed.