Masomboly manakaiky ny tantsaha

15 ha no velaran-tany famokarana masomboly efa voajarin’ny fandaharan’asa DEFIS eo ambany fiahian’ny MAEP ary  vatsin’ny FIDA vola ao Agnarafaly, Kaominina Ifotaka Distrikan’Amboasary ka ny 6 ha efa voavoly masomboly katsaka ankehitriny.  Efa namokatra masomboly voanjo 5T ny toerana, ka natokana ho an’ireo saha sekoly na CEP izay tohanan’ny fandaharan’asa ny vokatra.

Ankoatr’izay, « système de pompage solaire » iray no mbola hatsangana, velaran-tany 15ha fanampiny ihany koa no mbola hoajariana  ary masomboly voanjo 25 T sy katsaka 8,5 T no hovokarina, hatokana ho an’ireo mpamokatra sy mpampitombo masomboly na  PMS sy CEP izay tohanan’ny DEFIS. Famokarana tantanampianankaviana miisa 6800 no hisitraka ireo masomboly nohatsaraina ireo ka ny 2100 dia tantanam-behivavy ary ny 1800 kosa  tantanana tanora latsaky ny 35 taona.

Anisan’ny toeram-pamokarana lohany ary mahazaka ny toetr’andron’ny faritra atsimo (Anosy sy Androy) ity ivotoeram-pamokarana ity. Azo atao tsara noho izany ny mamboly, tombony ny fisian’ny reniranon’ny Mandrare ka afaka mampiasa  fanondrahana gouttes à gouttes.

Anisan’ny toerana notsidihin’ny Filoha Andry RAJOELINA niaraka tamin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien RANARIVELO, ity toeram-pamokarana masomboly ity, nandritry ny fidinana nataony tany Atsimo.

———————————————————

15 hectares de superficie de production de semences ont été aménagés par le programme DEFIS, sous tutelle  du MAEP et financé par le FIDA, à Agnarafaly, dans la commune d’Ifotaka, district d’Amboasary. 6 ha sont désormais cultivés en semences de maïs. Le site a déjà produit 5t de semences d’arachides, produits destinés aux Champs Ecole Paysan ou CEP appuyés par le programme.

De plus, un «système de pompage solaire» sera installé et fonctionnel. 15 ha de superficies additionnelles seront également à aménager. En outre, 25 T de semences d’arachide et 8,5 T de semences de maïs seront, produites au CPSA, destinées aux PMS et CEP appuyés par le programme DEFIS. Ainsi, au total, 6800 exploitations agricoles familiales bénéficieront des semences améliorées dont 2100 sont gérées par des femmes et 1 800 des jeunes  moins de 35 ans.

Ce centre de production de semence est un site pilote et résilientes au climat du Sud (Androy et Anosy) de Madagascar. La production dans ce site consiste entre autres à démontrer qu’il est possible de pratiquer l’agriculture tout au long du fleuve Mandrare en adoptant les semences adaptées et les systèmes d’irrigation appropriés (irrigation gouttes à gouttes et irrigation par aspersion)

Ce site  de semences a été l’un des lieux visités par le Président Andry RAJOELINA avec le Ministre de l’Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche, Lucien RANARIVELO, lors de sa visite dans le Sud.

Retour

Comments are closed.