Andro maneran-tany iadiana amin’ny haromontana

Ny 28 Septambra 2020 dia andro maneran-tany iadiana amin’ny haromontana. Ny haromontana dia aretina mpahazo ny biby mafana rà, ary mifindra amin’ny olombelona. Izy io dia areti-mandoza satria tsy misy fanafany ka raha vao mitranga ny fambaran’aretina (na amin’ny olona na ny biby) dia mahafaty. Araka ny fanandihadihan’ny Institut Pasteur de Madagascar, 50 isan-taona eo ny biby voamarina fa tratran’ny haromontana eto Madagasikara ary 99 isan-jaton’ny haromontan’ny olona dia avy amin’ny kaikitra sy rangotry ny alika avokoa. Ny fisorohana ny haromontana arak’izany dia ny fanaovana ny vaksiny ny saka sy alika ary koa ny fampienana ny tahan’ny fitombon’ny alika. Ka ho mariky ny fankalazana dia misy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe sy famosirana maimaimpoana ny saka sy alika gasy, na lahy na vavy, karakarain’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono miara amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, manaraka ny lohahaevitra iombonana napetraky ny Fikambanana maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny biby (OIE) amin’ity taona ity hoe “Fongory ny haromontana, ndao hiara-hientana hanao vaksiny ny biby”. Natomboka ny Alatsinainy 28 Septambra tao amin’ny Akanin’ny Veterinera Ambatobe ary hifarana ny Alahady 04 Oktobra 2020 izao ny hetsika.

Raha ny eto Madagasikara dia ny Faritra Alaotra Mangoro no ahitana trangana haromontana be indrindra.

JOURNEE MONDIALE CONTRE LA RAGE

Le 28 Septembre est la journée mondiale contre la rage. La rage est une maladie des animaux à sang chaud et transmissible aux humains. Une maladie dangereuse et sans précaution peut entraîner la mort. En effet, selon les résultats de recherche de l’Institut Pasteur de Madagascar, environ 50 animaux par an sont déclarés enragé à Madagascar et 99 % de la rage chez les humains sont dus à des morsures ou griffures des chiens. La vaccination et la castration sont donc les meilleurs moyens pour prévenir la rage. Pour la célébration de cette journée suivant le slogan de l’Organisation Internationale de l’Elevage « Finissons-en avec la rage, collaborons et vaccinons », le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche avec ses partenaires a organisé une campagne de vaccination et castration gratuit pour les chats et chiens de race locale, mâle ou femelle.

La campagne a débuté le 28 Septembre au Clinique Universitaire Vétérinaire Ambatobe et se terminera le Dimanche 04 Octobre 2020. A Madagascar, la Région Alaotra Mangoro est le plus touchée par la rage.

Retour

Comments are closed.