Fandaharanasa RINDRA, nanolotra fitaovana ho an’ ny sampan-draharaha maromaro ao amin’ ny MAEP

Ho fanatsarana ny fanatanterahana sy ny fandrindrana ny asa eo anivon’ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, dia nanolotra fitaovana ho an’ ny sampan-draharaha Fanofanana  sy  haha-matihanina ara-pamokarana  na DFAPP, ny sampanan-draharaha misahana ny tetim-pivoarana  ny fanjohina ary ny tombana (DPSE), ary ny sampanan-draharaha misahana ny fahasalaman’ ny biby (DSV) ny fandaharanasa RINDRA.

Latabatra boribory miisa 1, latabatra birao miisa 8, seza miisa 50 ary lalimoara lava tsangana miisa 4 no natolotra ho fampitaovana ny ivontoerana fanofanana ireo mpanofana eo amin’ ny sehatrin’ ny fambolena sy ny tontolo ambanivohitra na ny IFFAR (Institut de Formation des Formateurs Agricole et Ruraux). Fitaovan-tserasera toy ny « Tablette » miisa 230 ary finday miisa 4 kosa no natolotra hoan’ ny DPSE sy ny DSV ho fanatsarana ny  fifandraisana sy ny serasera ary indrindra ho fampitana haingana ireo vaovao mahakasika ny fahasalaman’ ny biby any amin’ ny tontolo ambanivohitra. Notanterahina ny zoma 28 aogositra 2020 teny amin’ ny ivotoerana fanofanana EFTA Ambatobe ny fanolorana ireo fitaovana ireo. (FB)

Savaranonando ihany izao hetsika natao izao raha ny nambaran’ ireo tompon’andraikitrin’ ny fandaharanasa RINDRA. Mikasa ny hanatsara sy hanavao ny EFTA Ambatobe izay hampiantrano ny IFFAR ihany koa ny fandaharanasa, izay marihana fa fandaharanasana manohana sy manampy ireo Ministera misahana ny sehatrin’ ny fambolena sy ny fiompina ary ny Jono.

Dotation de matériel du programme RINDRA.

Dans le cadre de sa composante  « appui institutionnel aux ministère du secteur AEPE », le programme RINDRA a apporté une contribution en termes de matériel de bureau et de communication  à la  Direction d’Appui à la Formation Agricole et Professionnalisation des Producteurs (DFAPP), la Direction de la Planification du Suivi Evaluation (DPSE) et de la Direction des Service Vétérinaires DSV du MAEP.

Cette dotation de matériels composés d’une 1 table de conférence, 4 tables modulables, 4 tables de bureau, 5 fauteuils, 4 armoires de rangement et 50 chaises, aux bénéfices de la Direction d’Appui à la Formation Agricole et Professionnalisation des Producteurs (DFAPP) serviront à équiper l’Institut de Formation des Formateurs Agricole et Ruraux IFFAR. Par ailleurs, 230 tablettes et 4 téléphones portables ont été également fournis afin d’appuyer la coordination des activités de suivie du MAEP et  permettre une meilleure transmission et traitement des informations relatives à la santé animale. La remise des matériels s’est tenue le 28 Aout 2020 dans l’enceinte de l’EFTA à Ambatobe, (Texte pour FB)

Cette contribution selon les responsables du programme  n’est que le début d’une coopération fructueuse entre l’Union Européenne et l’Etat Malagasy à travers le Programme RINDRA. En effet une rénovation et équipement de l’EFTA d’ Ambatobe  est déjà prévu par le programme d’ autant plus que le centre de formation va héberger l’IFFAR.

Retour

Comments are closed.