Tohana ho an’ireo mpanjono madinika

Ireo mpanjono madinika no tena tratra ny loza an-dranomasina araka ny tatitry ny fanadihadiana notanterahin’ny MAEP. Isorohana izany dia hizara kit fiarovana miisa 10000 izay ahitana salotraina sy kiririoka, ary lampe de poche avy amin’ny alalan’ny tetikasa SWIOFISH2 ny Ministera ka ireo mpanjono manana fahazoan-dalana na « permis de pêche » ihany no hisitraka ny fanohanana. Ankoatr’izay dia hiara-hiasa akaiky ny MAEP sy ny “Agence Portuaire Maritime et Fluviale” na APMF ho fitsinjovana ny ain’ireo mpanjono. Nisy ny fampahafantarana izany vahaolana entin’ny fitondram-panjakana ho fisorohana ny loza tao amin’ny APMF Alarobia ny 28 Aogositra 2020.

Anisan’ny antony lehibe mahatonga ny loza an-dranomasina ny tsy fahafantaran’ny mpanjono madinika mialoha ny toetr’andro, ny fahanterana sy ny tsy fanaraham-penitr’ireo fitaovana ampiasain’izy ireo. Manoloana izay indrindra no izaran’ny MAEP ny kit fiarovana miisa 10.000 ho an’ny mpanjono ara-dalana ka ny faritra avaratr’i Madagasikara no hisitraka izany voalohany ary mbola hitohy any amin’ny faritra hafa.

Mitondra vahaolana ihany koa ny APMF amin’ny alalan’ny fanavaozana ny didim-pitondrana izay mandrindra ny fikarohana amin’ny vonjy aina sy ny fampiasana ny MRCC na ivotoerana fandrindrana ny vonjy aina andranomasina na “Centre de coordination de sauvetage” maritime. Mifanindran-dalana amin’izany ny fiaraha-miasan’ ny MAEP sy ny APMF izay eo an-dalam-pamolavolana ny lalàna momba ny fampiasana ny ranomasina, ny fampidirana ao anaty lalàna ny fenitry ny fitaovana tokony ampiasaina, izay hosoniavina tsy ho ela.

Rehefa hamafisina ny fitaovam-piarovana ny ain’ireo mpanjono madinika dia mihena araka izany ny loza mety hitranga.

————————————

Suite à une enquête menée par le MAEP, il a été constaté que les pêcheurs traditionnels sont les plus touchés par les accidents en mer. Afin de prévenir et réduire les risques, la Direction Générale de la Pêche et de l’Aquaculture (DGPA) du  MAEP à travers le projet SWIOFISH2 va distribuer 10 000 kits de sauvetage, contenant des gilets, des sifflets et des lampes de poche pour les pêcheurs traditionnels titulaires de permis de pêche. De même, le Ministère et l’Agence Portuaire Maritime et Fluviale ou APMF collaborent ensemble pour la sécurité des pêcheurs. Une conférence de presse à ce sujet s’est tenue au siège de l’APMF Alarobia le 28 Aout 2020.

L’état de délabrement ou  d’épave des pirogues et le non port des équipements de protection individuels adéquats, la négligence des informations météorologiques et le non inscription de nombreux pêcheurs informels auprès des autorités constituent les principales causes des accidents en mer. C’est à cet effet que le MAEP avec le projet SWIOFISH 2 œuvre dans la formalisation des pêcheurs par le biais de l’immatriculation des pirogues et se lance dans cette action de dotation  des équipements  maritimes ou kits de sauvetage. La distribution commencera dans la partie nord de Madagascar et se propagera dans toute l’ile.

De son côte, l’APMF va améliorer le décret sur l’organisation de la recherche de sauvetage et activer officiellement le MRCC ou Centre de coordination de sauvetage maritime. En même temps, le MAEP et l’APMF sont en cours d’élaborer la loi sur l’utilisation de la mer et la définition des normes des matériels marins.

Lorsque la prévention des risques en mer des petits pêcheurs est renforcée, les dramatiques évènements de mer seront ainsi réduits.

Retour

Comments are closed.