Abatoara manara-penitra ao Antsirabe: napetraka ny vato fototra

Ho firosoana ho any amin’ny Fambolena sy fiompiana manara-penitra sy moderina dia tontosa ny Zoma 28 Aogositra 2020 tao amin’ny fokontany Tsivatrinikamo, Distrikan’Antsirabe I ny fametrahana ny vatofototry ny abatoara manara-penitra izay mitentina 1.420.000.000 Ariary ary mahazaka omby 75 isan’andro, niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry RAJOELINA, sy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien RANARIVELO.

Omby 40 hatramin’ny 50 isan’andro no vonoina ao amin’ny Distrikan’Antsirabe I nefa tsy manaraka ny fenitra ny abatoara iray izay hany miasa ao an-toerana, ka ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpanjifa hena dia nanangana abatoara lehibe sy manara-penitra ny MAEP. Ny fanaovana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana azy dia teti-bolan’ny MAEP manokana. Ny tetikasa dia vinavinaina ho vita ny volana Mey 2021.

Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny MAEP amin’ny fanatsarana famokarana hena omby sy ny fampivoarana ny sehatry ny fiompiana ny fanorenana abatoara manara-penitra. Fepetra maro no takiana ahatratrarana ny fenitra iraisam-pirenena, toy ny fanasarahana ny toerana maloto sy madio, ny fitehirizana ny hena ary ny fanarahamason’ny dokotera mpitsabo biby. Tanjon’ny MAEP ihany koa ny hanangana abatoara any amin’ny Faritra Bongolava sy Toamasina amin’ity taona 2020 ity.

Un abattoir aux normes international bientôt à Antsirabe

La pose de la première pierre de l’abattoir bovin aux normes de qualité et d’hygiénique, avec une capacité d’abattage journalière de 75 têtes par jour s’est tenue le Vendredi 28 Août à Tsivatrinikamo Antsirabe en présence de SEM Andry RAJOELINA, Président de la République de Madagascar et de Lucien RANARIVELO, Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche.

Le District d’Antsirabe ne possède qu’un abattoir fonctionnel pouvant recevoir 40 à 50 bovins par jour et ce dans des conditions défavorables. Le MAEP dans le cadre de son appui à l’amélioration de la viande bovine mettra en place d’ici Mai 2021 un nouvel abattoir suivant les standards internationaux, plus précisément un abattoir doté d’une chambre froide, d’un incinérateur, d’un parc d’attente et de stabulation.

Le projet est financé par la ressource propre interne du MAEP d’un montant de 1.420.000.000 Ariary

Comments are closed.