Fitandrovana sy fikajiana ny atodin-trondro: antoky ny fahatsaran’ny vokatra

Mpiompy trondro miisa 53 ao amin’ny distrikan’Ankazobe no novatsian’ny MAEP fampitaovana sy sakafon-trondro ho fikajiana sy fampiakarana ny taham-pahaveloman’ny atodin-trondro, ny 25 Aogositra 2020.

Ho fikajiana ny fahafoizan’ny atodin-trondro sy ho fanatsarana ny teknikam-piompiana dia nidina an-tsehatra nitondra tosikaho fanohanana ireo mpiompy tamin’ny alalan’ny tetikasa PADM (Pêche et Aquaculture Durable à Madagascar) ny MAEP, izay notarihin-Ramatoa RASOAMANANJARA Hantanirina, Talen’ny fiadidian-draharaha ny rano, misahana ny fanohanana sy fiompiana anaty rano. “Happa” na lay fanakotrehana atodin-trondro       miisa 53, baka fitondranazana-trondro ary sakafon-trondro no natolotra tamin’izany.

Tombony amin’ny fampiasana ity fitaovana ity ny fiakaran’ny taham-pahaveloman’ny atodin-trondro sy ny fiadiana amin’ny bibikely ary indrindra fampiakarana ny fari-piainan’ireo mpiompy. Taorian’ny fampiasana ny teknika ho an’ireo mpiompy efa nampiatra dia mahatratra 50 000 hatramin’ny 100 000isa ny zana-trondro azo amin’ny reni-trondro iray kilao, raha toaka 30 000 na latsaka izany teo aloha. “Raha namokatra 3tapitrisa zanatrondro ny teto amin’ny faritra Analamangany taona 2018, dia niampy 5tapitrisa amboniny izany tamin’ny taona 2019, izany hoe nahatratra 8tapitrisa izany. Vinaina ho 10 tapitrisa hatramin’ny 15 tapitrisa ny zanatrondro mety ho azo rehefa nomena fitaovana sy tohana ireo mpiompy”, araky ny nambaran’Andriamatoa ANDRIANTSOA Mamy, mpiandraikitra ny tetikasa PADM eto Analamanga, solon-tenan’ny COFAD eto Madagasiakara.

Mahavelona ny fiompiana trondro rehefa hifotorana sy atao am-pahamatorana araky ny fanazavan’ireo mpiompy. 200-300 ariary no hivarotana ny zanatrondro iray ka mety hahazoana 10 tapitrisa ariary araka izany ny renitrondro iray.

Mbola hitohy any amin’ny distrikan’ny Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana ny asa fanohanana.

__________________________________________________________

En vue d’optimiser et favoriser la survie des larves, 53 pisciculteurs du district d’Ankazobe ont reçu des matériels et équipements de production de la part du MAEP à travers le Pêche et Aquaculture Durable à Madagascar (PADM), le 25 aout 2020.

53 happas, des bacs pour alevins et des nourritures pour les poissons ont été distribués par le projet PADM, financé par la coopération technique allemande (GIZ) afin d’améliorer la filière pisciculture et d’augmenter la productivité. Ces matériaux vont permettre une augmentation du taux de survie des larves de poisson, la lutte contre les insectes, et notamment l’amélioration du niveau de vie des éleveurs.

En effet, la pisciculture est une source de revenu rentable selon les éleveurs. Grâce à ces matériaux et techniques une femelle de 1kg peut produire 50 000 à 100 000 alevins contre 30 000 alevins pour la pisciculture traditionnelle. Un alevin est vendu à 200 à 300 ariary, donc une femelle peut apporter 10 000 000 ariary à un éleveur.

En ce qui concerne la région Analamanga, depuis la mise en œuvre du projet PADM, 

3 millions d’alevins ont été produits en 2018 et 8 millions en 2019. Selon M. ANDRIANTSOA Mamy, Chef de projet PADM à Analamanga et Représentant COFAD à Madagascar une production de 15 millions d’alevin est attendue suite à ces différents appuis. Les travaux de soutien des pisciculteurs se poursuivront dans les districts d’Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Andramasina et Manjakandriana.

Retour

 

Comments are closed.