Fiaraha-miasan’ny Vondrona Eropeanina sy ny MAEP

Ny Delegasionan’ ny Vondrona Eropeanina eto Madagasikara izay notarihan’ny tompon’andraikitry ny  fandaharanasa – Fampivoarana ambanivohitra, fanajariana ny tany, fanjariana ara-tsakafo, tontolo iainana ary fanampiana vonjy maika- niaraka tamin’ny Biraon’ ny fanohanana ny fiaraha-miasa ivelany (BACE) sy ny mpitantana ny fandaharanasa RINDRA no tonga nanolotra fitaovana ara-pahasalamana entina misoroka ny valan’aretina COVID 19 ho an’ny Ministeran’ ny Fambolena , sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP)  ny  faha-10 aogositra 2020, tao Anosy.

Fampitaovana ara-pahasalamana avy amin’ny Fandaharanasa RINDRA

 Arotava miisa 1 500, Gel hydro alcoolique 50 ml miisa 1500, gel hydroalcoolique 500 ml miisa 480, fakana maripana miisa 12,  akanjo fiaro miisa 50 ary arotanana miisa 1000 no natolotra. Izany dia tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiarahamiasan’ny Ministera sy ny fandaharanasa  RINDRA.Nanamafy ny solontenan’ny Delegasionan’ ny Vondrona Eropeanina fa vonona hatrany hanohana ny firenena malagasy amin’ity tolona iraisana ity. Ny tale jeneraly misahana ny fambolena,  izay nisolotena ny sekretera jeneraly ny MAEP no nandray ireo tolotra, ary nisaotra manokana ny Vondrona Eropeanina sy ny Fandaharanasa RINDRA amin’ny tohana omeny,  izay ahafahan’ny mpiasa manamafy ny fiarovantena amin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’izao fisian’ny valan’aretina izao.

Fampandrosoana entin’ny fandaharanasa RINDRA

Ny fandaharanasa RINDRA(Renforcement Institutionnel vers le Développement de la Résilience Agricole) dia vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola ao anatin’ny PIN 11ème FED izay mitentina 40. 000.000 Euros. Ny fandaharanasa dia natao hanampiana ny famokarana  sy  hanatsarana ny taha-pamokarana izay manaja ny tontolo ianana mba hampaharitra ny rohim-pihariana ara-pamokarana.Tanjona ny hahatratraran’i Madagasikara ny fahavitatena ara-tsakafo maharitra sy hanamafy orina ny andrim-panjakana amin’ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono ary ny tontolo iainana (AEPE). Manohana manokana ny fampandehanana ny rafi-panjakana sy ny lafiny fampiofanana amin’ireo sehatra ireo no tena imasoan’ny Fandaharanasa RINDRA, ary manampy ihany koa ny Ministera amin’ny fametrahana fitaovana entina manapa-kevitra izay mifototra amin’ny antontan-kevitra mivoatra manaraka ny toetr’andro.

Renforcement de la collaboration entre l’Union Européenne et le MAEP

Dans le cadre de la lutte contre le COVID 19, la Délégation de l’Union Européenne (DUE) à Madagascar représentée par le Chargé de Programmes – Développement Rural, Aménagement du Territoire, Sécurité Alimentaire, Environnement et Aide d’Urgence, accompagné par le Bureau d’Appui  à la Coopération Extérieure (BACE) représenté par le Représentant de l’Ordonnateur des Programmes de 11eme FED et le Chargé du Programme RINDRA ont remis des dotations de kits sanitaires au Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) à Anosy, le 10 aout 2020.

Dotation de kits de sanitaires par le programme RINDRA

1500 masques, 1500 unités de gel hydroalcoolique de 50ml, 480 unités de gel hydroalcoolique de 500ml, 12 thermomètres infrarouges sans contact, 50 combinaisons à usage unique et 1000 paires de gants en latex ont été ainsi donnés au MAEP à travers l’appui du Programme RINDRA. Le Représentant de la Délégation de l’Union Européenne a réaffirmé son soutien au pays dans cette lutte commune. Le Directeur Général de l’Agriculture, ayant représenté le Secrétaire Général du MAEP lors de cette réception a particulièrement remercié la DUE et également le Programme RINDRA pour cet appui précieux permettant au personnel du MAEP de se protéger dans la poursuite des activités du Ministère mais aussi d’avoir fait preuve de solidarité dans cette lutte commune contre la pandémie du COVID-19.

Développement apporté par le Programme RINDRA

A rappeler que le Programme RINDRA financé par l’UE pour un montant de 40 000 000 euros dans le cadre du PIN 11ème FED contribue à améliorer la productivité, la rentabilité et la durabilité des chaînes de valeur agricoles en intégrant les questions environnementales. Ceci devait permettre à Madagascar de parvenir à une autosuffisance alimentaire à long terme et de renforcer ses institutions du secteur agriculture – élevage – pêche – environnement (AEPE). Il accompagnera l’opérationnalisation des institutions publiques et parapubliques du secteur AEPE sur les plans institutionnels et de formations. Les Ministères concernés seront, entre autres, dotés d’outils d’aide à la décision basés sur des données régulièrement mises à jour.

Comments are closed.