Teknisianina vaovao miisa 106 hanampy tosika ny tantsaha

Niampy 106 isa ny teknisianin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono hanampy tosika ny tantsaha mpamokatra eo amin’ny tontolo ambanivohitra manomboka izao.  Notolorana ny mari-pahaizana teknisianina momba ny fambolena sy fiompiana ary jono izy ireo, rehefa nahavita ny fihofanana nandritry ny 2 taona teo anivon’ny ivon-toeram-pampiofanana EFTA (Ecole de Formation de Technicien Agricole) manerana ny  faritra 6 eto Madagasikara. Andiany voalohany izy ireo, izay hitondra ny fahaiza-manaony mba hampitomboana ny vokatra sy hanatrarana ny tanjon’ny MAEP dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany.

Nifototra tamin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny fihofanana nomena azy ireo, ka nojerena tamin’izany ny serasera eo amin’ny tontolon’ny asa, ny fampandrosoana ny maha-olona, ny fampandrosoana ifotony, ny “système suivi-évaluation”,sns. Tanjona amin’ny fihofanana ny hahafahan’ireo teknisianina ireo manampy sy manohana ny tantsaha mpamokatra ho fanatsarana ny fiaianan’izy ireo ary indrindra ho fanatrarana ny politikam-panjakana amin’ny alalan’ ny MAEP.

Mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny  famokarana ihany koa ny “conseiller agricole AC/ AE” ka  miisa 47 izy ireo no notolorana ny mari-pankasitrahana manerana ny ivon-toerana EFTA 4. Andiany faharoa moa izy ireo.

Efa samy nanatanteraka ny famoahana avokoa moa ny isam-paritra fa ho an’ny faritra Analamanga dia notanterahina ny 15jona 2020 izany tao amin’ny ivon-toerana Ambatobe.  Miisa 22 mianadahy ireo teknisianina notolorana ny mari-pahaizana BTSA (Brevet de Technicien Supérieur Agricole); ary miisa 12  nomena ny mari-pankasitrahana nahavita ny fihofanana “conseiller spécialisé AC/AE”.

Marihina fa ny « Référentiel National de Diplôme au métier de Technicien Agricole » ampiasaina eo anivon’ny EFTA moa dia nankatoavina tamin’ny 2017 ary nampiharina nanomboka ny taona 2018.

————————————————————–

106 nouveaux techniciens Agricoles vont appuyer et accompagner les paysans producteurs dans le monde rural à Madagascar.  Après avoir effectué une formation de 2ans au sein des centres EFTA (Ecole de Formation de Agricole Technique) dans les 6 ex provinces de Madagascar, ils ont obtenu leurs diplômes de Technicien Supérieur BTSA ou Brevet de Technicien Supérieur Agricole. Cette  première promotion est le premier produit de l’EFTA.  Cette  première promotion est le premier produit de l’EFTA. Les jeunes apporteront leurs expertises afin d’augmenter la productivité et d’atteindre les objectifs du MAEP qui est l’autosuffisance alimentaire.

La formation est principalement axé sur l’agriculture, l’Elevage et la Pêche, dont la communication en situation professionnelle, le développement humain, le développement personnel, le système suivi-évaluation, etc. sont des modules étudiés. L’objectif de la formation au sein de l’EFTA est d’aider et d’appuyer les producteurs pour améliorer leur condition de vie et notamment pour l’atteinte de la politique de l’Etat à travers le MAEP.

Ainsi, 47 conseillers agricoles  2ème promotion ont reçu leur certificat de fin de formation dans les 4 centres EFTA, dont 12 pour Analamanga. Leur formation consiste à  produire des techniciens agricoles capables d’accompagner les exploitants agricoles face au changement climatique et de promouvoir une agriculture durable afin de contribuer à la sécurité alimentaire de Madagascar.

En ce qui concerne l’EFTA Analamanga, la remise de diplôme pour 22 techniciens et certificat pour les 12 Conseillers Agricoles a eu lieu le 15 juin 2020 à Ambatobe. Notons que les autres EFTA ont déjà effectué leur cérémonie de remise de diplôme.

Notons que le Référentiel National de Diplôme au métier de Technicien Agricole appliqué au niveau des EFTA est validé en 2017 et appliqué depuis 2018.

Retour

Comments are closed.