Didy varin’Alaotra: efa miasa ireo tantsaha nafarana

Amperinasa ireo mpandidy vary nafarana avy any amin’ny Faritra Vakinankaratra miisa 1.098 izay efa voazaha ara-pahasalamana. Nanomboka ny zoma 1 mey no nihazo an’Alaotra ny andiany voalohany tamin’izy ireo.

Tsara ny voka-bary ao Alaotra Mangoro tamin’ity taom-pambolena 2019-2020 ity. Izany dia vokatry ny ezaka nataon’ny MAEP tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana momba ny fambolena ara-teknika ka ny 75% ny tantsaha no nampiasa ny teknika PAPRIZ, ny fizarana masomboly ara-kalitao sy ny zezika, ny fanamboarana ny foto-drafitrasa toy ny toha-dranon’I Bevava sy Sahamaloto. Nanamafy ny fahatsaran’ny vokatra ihany koa ny toetr’andro izay nitondra rano sy hafanana. Marihana fa ny todradrano izay nandalo dia nahafahan’ireo faritra mijaly rano nahazo rano tsara ka nampitombo ny vokatra.

Araka izany, mila mpandidy vary mahery ny 4600 ny faritra Alaotra Mangoro ka niroso tamin’ny fifanarahana ny Governoran’Alaotra sy ny Governoran’ny Vakinakaratra momba ny fitaterana an’ireo tantsaha. Ka ny tale-paritry 2 ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ao Vakinankaratra sy Alaotra Mangoro miaraka amin’ny tale misahana ny tohana ara-pamokarana ireo zava-maniry ary ny talean’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana eo anivon’ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro no nisahana ny fitadiavana sy ny fanangonana ireo mpandidy vary. Nanomboka ny 1 mey 2020 ny fitaterana ka mpandidy vary miisa 1.098 vita fizahana ara-pahasalamana no efa tonga any Alaotra.

Les moissonneurs d’Ankaratra déjà à l’œuvre dans l’Alaotra.

La récolte du riz pour la campagne 2019-2020  a commencé dans la Région Alaotra Mangoro. En effet la première vague des 1098 moissonneurs, issus de la Région Vakinakaratra, qui vont aider les riziculteurs de la régions sont déjà à l’œuvre. Cette première vague a rejoint le bassin de l’Alaotra le 1er mai 2020.   

La récolte de cette campagne 2019-2020 est  bonne pour la Région Alaotra Mangoro. Cela résulte en premier lieu, des efforts réalisés par le MAEP à travers la formation technique octroyée aux riziculteurs et dont 75% l’ont appliqué, à la distribution de semences améliorées et d’engrais ainsi qu’à la réhabilitation des infrastructures telles que les barrages de Bevava et de Sahamaloto ; en second lieu, au climat qui était favorable à la culture. D’ailleurs, l’inondation qui a sévi la région, était bénéfique pour beaucoup de rizières qui manquaient d’eau auparavant, induisant ainsi  à l’augmentation de la production.

Face à cette situation, la Région d’Alaotra Mangoro a besoin de 4.600 moissonneurs pour assurer la récolte du riz. Ainsi, les Gouverneurs de la région Vakinankaratra et de la région Alaotra Mangoro ont signé un accord de convention sur le transport des moissonneurs d’ Antsirabe vers Alaotra. Les Directeurs Régionaux de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche des deux régions Vakinankaratra et d’Alaotra Mangoro avec le Directeur d’Appui à la Production Végétale (DAPV) se sont chargés du rassemblement et du recrutement des moissonneurs. Après avoir subi avec succès les dépistages sanitaires, la première vague de moissonneurs a quitté Antsirabe le 1er mai 2020 et sont actuellement à la manœuvre dans les rizières d’Alaotra.

Retour

Comments are closed.