Fanolorana masomboly katsaka sy lojy tao amin’ny distrikan’Ambatoboeny.

Katsaka milanja 12T sy lojy 12T no natolotry ny MAEP tamin’ny alalan’ny fandaharanasa PROSPERER an’ ireo tantsaha miisa 500 mahery izay mivondrona anatina fikambanana miisa 20 tamin’ireo kaominina 12 isa tao amin’ny Distrikan’Ambatoboeny, ny 15 sy 16 Aprily 2020 lasa teo.

Nisedra olana ny distrikan’Ambatoboeny noho ny fandalovan’ny andro ratsy izay nanimba ny 90 isan-tajon’ny fambolena tany an-toerana. Nisy araka izany ny tombana nataon’ny teknisianin’ny fandaharanasa PROSPERER sy ny teknisianin’ny sampandraharaham-paritry ny MAEP momba ny fahasimban’ny fambolena tao amin’ireo distrika voakasika ka nahafahana namaritra ny filana sy tohana maika ilain’ireo tantsaha. Maro ireo tantsaha izay tsy manana masomboly iaingana intsony.

Koa manoloana izany dia masomboly voafantina katsaka milanja 12T no nozaraina tamin’ireo tantsaha tao amin’ny kaominina Andranofasika ny 15 aprily 2020 ary lojy 12T no natolotra an’ireo tao amin’ny kaomionina ambanivohitra Ambondromamy. Ka masomboly 23 kg isaky ny tantsaha fara fahakeliny no azo ary tanimboly 400ha ho an’ny voly katsaka sy 400ha ihany koa ho an’ny voly lojy no tanjona.

Mba hampitombo ny tahirin’ireo masomboly volena amin’ny manaraka sy ho fitantanana maharitra ary ahafahana manitatra ny fanampiana ho an’ny tantsaha hafa indray, dia haverin’ireo tantsaha avo roa heny ireo masomboly nomena azy rehefa miakatra ny vokatra.

Ankehitriny velom-panantenana indray ny tantsaha satria nahazo ity fanampiana avy amin’ny PROSPERER ity miaraka amin’ny MAEP sy ny plateforme black eyes.

Comments are closed.