Fizarana arovava sy tambavy CVO: mirotsaka an-tsehatra ny MAEP

Ho fanatanterahana ny baikon’ny Filohan’ny Repoblika sy ho fiaraha-mientana amin’ny Fanjakana amin’ny ady atao amin’ny valan’aretina Coronavirus, dia misy ny fizarana maimaim-poana, aro vava azo sasana sy tambavy « covid organics » ho an’ny vahoaka malagasy rehetra nanomboka ny 22 aprily 2020. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany ny MAEP, ka nanolotra aro vava ho an’ny mponina, miisa 2.500 isaky ny toeram-pizarana ao amin’ny boriboritany fahaefatra, ato anatin’ny Kaominin’ Antananarivo.

Nitandahatra ny vahoaka tany amin’ireo tanana ary hita fa maro ny olona mbola tsy manana izany aro vava izany sy tia mitandro ny fahasalamana. Hery lehibe ho an’ny vahoaka ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra handresena ity covid-19 ity.

Le MAEP se mobilise dans la distribution de cache bouches et du Covid Organics.

Dans la mise en œuvre de la directive du Président de la République ainsi que pour contribuer à la lutte contre le covid-19, la distribution de cache bouches lavable ainsi que le Covid Organics a commencée en début de la semaine.

Le MAEP prend part à la mise en disposition de 2500 cache bouches pour chaque point fixe dans le 4e arrondissement. Plusieurs personnes et de foyer dépourvus de moyens pour se procurer un cache bouche remercie le Ministère ainsi que le gouvernement pour leurs bonnes actions. La prise de responsabilité du gouvernement redonne espoir au peuple dans ce combat contre le coronavirus.

Retour

Comments are closed.