Fahavitan-tena eo amin’ny vary: PAPRIZ 3 miditra amin’ny fampiasana fitaovana indostrialy

Novolavolaina avy amin’ny vokatry ny asan’ny PAPRIZ 2 izay hifarana amin’ity taona ity, dia hanomboka amin’ny tapaky ny taona 2020 ny “tetikasa fanohanana sy fanatsarana ny famokarana sy ny fampiasana fitaovana indostrialy ny vary”.

Nosoniavin’ireo solotenan’ny JICA sy ny solotenan’ny MAEP ny 02 Marsa 2020 teny Anosy ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta, teo anatrehan’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono.

Mandritra ny 5 taona, dia ho amafisina sy aparitaka ireo teknikam-pamokaran’ny PAPRIZ2 ary tsindriana manokana amin’izany ny fampiasana fitaovana indostrialy ny vokatra, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vondron’ny tantsaha mpamokatra sy ireo teknisiniana ara-pambolena, ny fahafahan’ny tantsaha misitraka masomboly voafantina sy tsara kalitao ary ny fampiasana fitaovam-pamokarana moderina. Hisehatra eo amin’ny faritra 22 eto Madagasikara ny tetikasa (faritra vaovao 11 sy ny sompitra).

Fiarahamiasa eo amin’ny governemanta Malagasy sy governemanta japoney ho amin’ny fanatratrana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hahafahana manondrana vary any amin’ireo nosy rahavavy no tanjona. Ny sahan’asa ataon’ny tetikasa dia manaraka ny Paikady Nasionaly ho amin’ny Fandrosoana ara-bary (SNDR) ary mifameno tsara amin’ny fanapahan-kevitry ny Vondrona ho amin’ny fandrosoana ara-bary eto Afrika (CARD) izay nampidirin’ny JICA tamin’ny 2008 izay mivohy ny fampitomboana ny voka-bary ao amin’ireo firenena mpikambana ao.

Autosuffisance en riz : Papriz 3 se focalise sur l’industrialisation

Formulée à partir des résultats concrets de PAPRIZ2 qui prend fin cette année, la troisième phase appelée « Projet d’Appui pour l’Amélioration de la Productivité et de l’Industrialisation du Secteur Riz » débutera au deuxième semestre 2020.

Les documents de la convention entre la JICA et le MAEP ont été signés le 02 Mars 2020 à Anosy par le Secrétaire Général du MAEP et le Représentant résident de JICA, avec la présence effective du Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche.

D’une durée de 5 ans, ce troisième volet va poursuivre la vulgarisation du paquet technique Papriz tout en mettant l’accent sur l’industrialisation de la filière, le renforcement de capacité et l’organisation des paysans, ainsi que l’accès aux semences de qualité et la mécanisation agricole. Il intègre désormais les 22 régions de Madagascar (11 nouvelles régions ainsi que les grandes soutes).

Un partenariat entre le gouvernement malagasy et le gouvernement japonais qui cadre dans l’atteinte de l’autosuffisance alimentaire et une probable future exportation de riz vers les pays voisins. Les activités du projet seront guidées par les principes de la Stratégie Nationale de Développement Rizicole (SNDR). Cette initiative cadre avec l’initiative de la Coalition pour le Développement Rizicole en Afrique (CARD) initié par la JICA depuis 2008 et qui a pour objectif de contribuer à l’augmentation de la production rizicole dans les pays membres.

Retour

Comments are closed.