Misokatra ny fotoam-panjonoana makamba 2020 ary miroso amin’ny Certification MSC ny Malagasy

“Fitrandrahana maharitra ny harena an-dranomasina, ho lovain-jafy”, io no lohahevitra nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-panjonoana makamba 2020 izay notanterahina tao Mahajanga, faritra Boeny, ny 27 Febroary 2020. Izany dia niarahan’ny Ministeran’ny jono, fambolena sy fiompiana nikarakara, tamin’ny GAPCM (groupement des aquaculteurs et pêcheurs de crevettes de Madagascar) sy ny tambazotra Mihari miaro ny zon’ny mpanjono madinika, ary notronin’ireo olom-boafidy eo anivon’ny Parlemanta sy olomanan-kaja maro teo amin’ny Faritra.

Tamin’iny taona lasa teo iny fotsiny dia 102 lavitrisa ariary no vola niditra tamin’ ny kitampom-bolam-panjakana, sandan’ny fanondranana Makamba na “Or Rose”. Ny amboniampanga mivantana, na valeur ajoutée directe noforonin’io seham-pihariana io kosa dia nahatratra 17,8 lavitrisa Ariary. Tanjona ny hampiakarana hatrany izany lanjany izany mba hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainantsika vahoaka ary koa ho reharehan’ny firenena eo amin’ny tsenam-barotra ivelany.

Ny Ministera misahana ny jono dia eo mametraka ny drafi-pitantanana ho fitrandrahana maharitra sy lovain-jafy ny makambaankehitriny. Anton’izany ny nampandrosoana ireo mpisehatra, ny mpanjono lehibe sy industrialy ankilany, ary ireo mpanjono madinika etsy andaniny, hiara hikaon-doha tanaty atrik’asa, momba ny fiomanana amin’ireo dingana maro ahazoan’ny makambamalagasy ny ‘’Marine Stewardship Council’’na MSC.

Ouverture de la campagne crevettière 2020 : vers une certification MSC

« Exploitation durable des ressources halieutiques » tel a été le slogan choisi par le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche pour lancer l’ouverture de la campagne crevettière 2020, à Mahajanga, le 27 Février 2020.Une cérémonie co-organisée par le MAEP le GAPCM (Groupement des Aquaculteurs et Pêcheurs de Crevettes de Madagascar) et le réseau MIHARY, et honorée par la présence de membres du Parlement et hauts responsables dans la région.

La filière crevette occupe une place importante dans l’économie Malagasy. En 2019 l’ « Or Rose » a généré près de 102milliards d’ariary de recettes en devise et en redevance, créant une valeur ajoutée de 17.8 milliard d’ariary pour l’état Malagasy. Pour cette année 2020, le MAEP vise une forte hausse de la production et des recettes pour avoir des retombées économiques positives pour la population et l’Etat, et à terme conforter l’hégémonie de nos produits sur le marché international.

Le même jour, les opérateurs et pêcheurs traditionnels ont réfléchi ensemble pour l’obtention de l’éco certification marine MSC “ou Marine Stewardship Council ».

Retour

Comments are closed.