Faritra Alaotra Mangoro: fefiloha 3 no narenin’ny MAEP

Tsy mitsahatra manao ny ezaka rehetra amin’ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP). Nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fanarenana ireo fefiloha nahitana fahavakisana sy fahasimbana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro,vokatry ny orana nikija tany an-toerana ireo ny MAEP sy ny FID ary ny BNGRC.

Nidina tany an-toerana nijery ny zava-misy, sy ny fahasimbana ary ny asa tokony hatao mifandraika amin’izany ny Tale Jeneralin’ny Fambolena niaraka tamin’ny talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Fefiloha miisa 3 no nahitana fahasimbana sy fahavakisana tanteraka izay ilàna fanarenana dia ny ao Lohafasika, Ankiditsaravola ary ny ao Anony, ka efa mandeha ny asa fanarenana amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny fanamboarana ny « Radier » mirefy 80m ao Ambatomainty Amparamanina izay vaky tanteraka.

Marihana fa ao anatin ‘ny fambolena tanteraka ny Faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana izao ka nizara masomboly tamina federasionina roa (2) tao amin’ny Kaominina Morarano Chrome ny FDA. Vokatry ny orana dia feno tanteraka ny tohadrano ka tombontsoa tanteraka ho an’ny tantsaha izany satria afaka mamita ny asa famokarana hatramin’ny farany izy ireo.

———————————————

Région Alaotra Mangoro : 3 digues réhabilitées par le MAEP

Le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) continue de tout mettre en œuvre pour parvenir à l’autosuffisance alimentaire. A la suite de la forte précipitation qui s’est passée dans la Région Alaotra Mangoro, le MAEP, le FID et le BNGRC  ont  immédiatement pris leurs responsabilités pour  la réhabilitation des digues qui ont été cassées.

Le Directeur Général de l’Agriculture, accompagné par le DRAEP Alaotra Mangoro et leurs équipes ont y effectué une descente afin de constater les dégâts et les travaux de réhabilitation à entreprendre. Trois digues ont été cassées dont Lohafasika, Ankaditsaravola et Anony et les travaux de réhabilitation sont actuellement en cours. De même, un radier de 80m situé dans la Commune d’Ambatomainty Amparamanina a été emporté par les crues et sera également réhabiliter.

Notons que la Région Alaotra Mangoro se trouve dans la période de semis actuellement. De ce fait, le FDA a distribué des semences au niveau des 2 fédérations dans la Commune de Morarano Chrome. En outre, suite aux diverses pluies, les barrages sont pleins et c’est un grand avantage pour les agriculteurs car ils peuvent produire en toute sérénité.

Retour

Comments are closed.