Tetikasa AKOHONAKA : hanomboka tsy ho ela

Tsy mitsahatra manao ezaka ny Fanjakana amin’ny fanatratrarana ny veliranon’ny filoham-pirenena dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Tsy ny vary ihany no resahana amin’izay fahahavitan-tena ara-tsakafo izay fa eo ihany koa ny fihinanana ireo sakafo be otrikaina isankarazany mitondra hery ho an’ny olombelona toy ny henan’akoho. Hita fa mbola ambany ny fanjifana henan’akoho eto Madagasikara mihoatra ireo firenena manodidina. Tokony hovelarina noho izany ny tsenan’akoho ary ilaina ny fampitomboana ny mpamokatra akoho fakàna nofo eto Madagasikara.

Fanohanana ny tanora

Izany indrindra no  nahatonga ny MAEP miaraka amin’ny fandaharanasa fihariana, nametraka ny tetikasa AKOHONAKA, tetikasa natao hanohanana sy hampivelarana ny orinasa madinika sy salantsalany te hisehatra amin’ny famokarana akoho fakàna nofo ary hanohanana manokana ireo tanora te hisehatra amin’izany lalam-pihariana izany. Manana hirika lehibe amin’izany ny tanora  satria betsaka ny filan’ny tsena amin’izao fotoana izao.Notanterahana ny alakamisy 09 janoary 2020 tao Anosy moa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny MAEP sy ny tomponan’draikitry  ny fandaharanasa fihariana.

Anisan’ny tohana omena ireo tanora liana sy te hisehatra amin’ity lalam-pihariana ity ny fanomezana karazana drafi-pandraharahana, ny tahan-tsoroka iray manontolo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany, ny fanomezana zanak’akoho sy ny sakafo hohaniny ary hatramin’ny fanomezana lalam-barotra.

Mpandraharaha 500 no hisitraka ny tohana

Mpandraharaha miisa 500 no ezahana hotohanana amin’ity tetikasa AKOHONAKA voalohany ity ka 72 amin’izy ireo no hotohanana hanombohana azy, izay vinaina hahazoana akoho miisa 144 000 afaka 60 andro.  Ity tetikasa akonakaha ity moa no hanombohana ny asa eto Antananarivo sy ny manodidina fa mbola hiparitaka manerana ny faritra izany ary hisy koa ny fampiroboroboana seha-pihariana hafa.

————————————————–

Le projet AKONAKA sera bientôt commencé

L’Etat à travers les Ministères s’engage continuellement à réaliser la vision présidentielle qui est l’autosuffisance alimentaire. Le sujet de la sécurité alimentaire ne se limite pas seulement sur la production rizicole mais c’est aussi la consommation d’aliments nutritifs comme la viande de poulet. Il est constaté que le taux de consommation de poulet à Madagascar est encore inférieur à celle des pays voisins. Le marché du poulet devrait être élargi et il est nécessaire d’augmenter la production de poulet de chair à Madagascar.

Soutien des jeunes

C’est dans ce contexte que le MAEP  ou le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche en coopération avec le programme Fihariana a initié le projet AKOHONAKA,  un projet conçu pour soutenir et développer les petites et moyennes entreprises œuvrant dans la filière poulet de chair et pour soutenir spécifiquement les jeunes qui veulent entreprendre dans ce secteur. Les jeunes ont aujourd’hui une grande opportunité en raison de la forte demande du marché. Une signature de convention de partenariat pour la réalisation de ce projet s’est tenu donc  entre le MAEP et le responsable  du programme Fihariana le jeudi 09 janvier 2020 à Anosy.

Une partie du soutien fourni aux jeunes intéressés comprend l’existence d’un business plan type, un encadrement complet jusqu’à la réalisation du projet, le don du poulet et leur nourriture ainsi que la commercialisation des produits.

500 entrepreneurs seront soutenus

Environ 500 entrepreneurs devraient être soutenus de ce premier projet Akonaka et 72 d’entre eux seront appuyés pour commencer, ce qui devrait produire 144 000 poulets d’ici 60 jours. Les activités se commenceront à Antananarivo et s’étendra dans toutes les régions. Des autres filières seront également à développer et à promouvoir.

Retour

Comments are closed.