Ady amin’ ny haromontana : Vaksiny miisa 100 000 avy amin’ ny OIE.

Aretiman-doza sy mahafaty ny haromontana, ary mifindra amin’ ny olona amin’ ny alalan’ ny kaikitra na rangotry ny saka sy ny alika. Ny fanaovana vaksiny ny alika sy ny saka ihany no hany tokana hisoroana izany aretina izany.

Ho fanamafisana ny ady atao amin’ny haromontana dia nisy ny fiaraha-miasan’ ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono tamin’ ireo mpiara-miombon’antoka, ka vaksiny miisa 100 000 no natolotry ny Fikambanana iraisam-pirenena miandraikitra ny fahasalaman’ny biby (OIE) ary 7 000 avy amin’ny tahirim-bola hoan’ny fiompiana (FEL). Teny amin’ny biraon’ny FEL eny Ampandrianomby no nanolorana ireo vakisiny ireo tamin’ ny fomba ofisialy ny 19 desambra 2019.Efa antaonany maro ny MAEP no niady tamin’ ny haromontana. Maro ireo hetsika efa natao hanafoanana izany eto Madagasikara, isan’izany ny fanentanana ny olona, ny fanaovana vaksiny maimaimpoana ho an’ny alika sy ny saka ary ny fifehezana ireo alika mirenireny.

Hoan’ ny taona ho avy kosa dia hanamafy hatrany ny hetsika entina miady sy mamongotra ny haromontana ny eo anivon’ ny Ministera. Ny taona 2020 dia ny 70%n’ ny alika eto Madagasikara farafahakeliny no kendrena hatao vaksiny. Atao laharam-pahamehana arak’izany ny hanaparitahana ireo vaksiny ireo manerana ny faritra. Mandritra ny hetsika rehetra dia mamaimpoana avokoa ny fanaovana vakisiny ny saka sy ny alika.

Lutte contre la rage : un don de 100 000 doses de vaccin de la part de l’ OIE

La rage est une maladie grave et mortelle. Elle est transmise à l’homme par la morsure ou griffure des chiens et des chats. La vaccination à grande échelle des chiens constitue la meilleure méthode pour éliminer la rage humaine. Elle seule permet de briser réellement le cycle de transmission entre l’animal et l’homme.

Dans le cadre de la lutte contre la rage, l’Organisation Mondiale de la Santé Animale (OIE) avec l’appui financier de la Commission de l’Océan Indien (COI) et le Fond de l’Elevage (FEL) ont fait un don de 100 000 (OIE) et de 7000 (FEL) doses de vaccins au Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (MAEP). La cérémonie officielle de remise des dons s’est tenu le 19 décembre 2019 dans les locaux du FEL à Ampandrianomby.

Le MAEP a toujours mené plusieurs activités pour atteindre l’objectif de l’élimination de la rage à Madagascar. Des actions de sensibilisation auprès de la population, la réalisation de campagnes de vaccination de chats et de chiens ainsi que la gestion de la population canine ont été effectuées par les responsables. Pour les années à venir, le MAEP compte intensifier les activités de luttes et d’éradication, il prévoit d’effectuer la vaccination  de près de 70% de la population canine d’ici 2020.

Selon les responsables, les 107000 doses de vaccins seront redistribuées rapidement dans les différentes régions de Madagascar dans les plus brefs délais.

Retour

Comments are closed.