JERITODIKA MOMBA NY KARATRA FANANGONAM-BOKATRA TAONA 2019

  1. MOMBA NY KARATRA FANANGONAM-BOKATRA ANDRANOMASINA TAONA 2019

Raha ny 5 taona lasa no jerena dia nisy fiovaovana ny karatra fanangonam-bokatra.

Ny  taona 2019  no nahitana karatra fanangonam-bokatra betsaka indrindra izay mitotaly 1567;  ary ny taona 2016 no vitsy indrindra izay mitotaly ho 1253.

  • Ny taona 2015 dia teo amin’ny 1367 karatra fanangonam-bokatra
  • Ny taona 2016 dia teo amin’ny 1253 kartra fanangonam-bokatra
  • Ny taona 2017 dia teo amin’ny 1517 karatra fanangonam-bokatra
  • Ny taona 2018 dia teo amin’ny 1502 karatra fanangonam-bokatra
  • Ny taona 2019 dia teo amin’ny 1567 karatra fanangonam-bokatra

Karatra fanangonam-bokatra andranomasina isam-paritra ny taona 2019

1567 ny totaliny karatra fanangonam-bokatra ny taona 2019

I Boeny no nanana karatra fanangonam- bokatra betsaka indrindra, manaraka azy eo I DIANA sy ATSIMO ANDREFANA

Faritra Androy kosa no nanana karatra fanangonam-bokatra kely indrindra ialohavan’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Sava izay mitovy

Karatra fanangonam-bokatra andranomasina isaky ny distrika ny taona 2019

Ny distrika ny Analalava no nanana karatra betsaka indrindra, manaraka azy eo ny distrika ny Morondava sy Ambilobe

Ny distrika ny Farafangana sy Maroantsetra no farany indrindra manaraka azy ao mitovy ny distrika ny Antalaha, Beloha, Fenerive-Est.

Karatra fanangonam-bokatra andranomasina ho an’ireo vokatra voavetra ny fitrandrahana azy ny taona 2019

  • Ny Ailerons de Requins: Faritra Boeny no mananana betsaka indrindra manaraka azy eo Atsimo Andrefana sy Melaky ;

Analanjirofo, Atsinanana, Diana no nanana karatra kely indrindra

  • Crabes: Faritra Boeny no manana betsaka indrindra, manaraka azy eo Menabe sy Sofia ary Diana

I Anosy no nanana kely indrindra manaraka azy ao Vatovavy Fitovinana, Melaky

  • Crevettes: Faritra Boeny no manana betsaka indrindra, manaraka azy ao Sofia sy Diana

Faritra Sava no nanana kely indrindra manaraka azy eo Analanjirofo

  • Langoustes:  Faritra Atsimo Andrefana no mananana karatra betsaka, manaraka azy ao  Anosy sy Androy

Melaky no kely indrindra manaraka azy ao Atsirananana sy Sava

  • Trepangs: Diana no mananana karatra betsaka indrindra ary manaraka azy ao Atsimo Andrefana  sy Boeny

Faritra SAVA no kely indrindra manaraka azy ao Atsirananana sy Menabe

  • Poulpes: Faritra Atsimo- Andrefana no mananana karatra betsaka indrindra manaraka azy ao Analanjirofo sy Menabe mitovy

Ny Faritra Androy, Anosy, Atsirananana, Boeny ary Vatovavy Fitovinany no mananana karatra kely indrindra ny taona 2019

  • MOMBA NY KARATRA FANANGONAM-BOKATRA AN-DRANOMATSABOKA TAONA 2019

Rah any taona lasa no jerena dia mitovy ny tamin’ny any andranomasina ihany; miovaova ny vokatra isan-taona fa ny taona 2015 no nahitana fiakaran’ny karatra fanangonam-bokatra betsaka indrindra ary ny taona 2018 no kely indrindra

Izany hoe:

       2015: 835 karatra fanangonam-bokatra

       2016: 882 karatra fanangonam-bokatra

       2017: 633 karatra fanangonam-bokatra

       2018: 752 karatra fanangonam-bokatra

       2019: 782 karatra fanangonam-bokatra

Karatra fanangonam-bokatra an-dranomatsaboka isam-paritra ny taona 2019

782 ny totaliny fanangonam-bokatra navoaka ny taona 2019

I Boeny no nanana betsaka indrindra, manaraka zay eo Menabe sy Sofia

I Horomb, Bongolava ar Analamanga no manan Permis de Collecte kely indrindra manaraka azy eo Anosy sy Amoron’I Mania.

Karatra fanangonam-bokatra an-dranomatsaboka isaky ny Distrika ny taona 2019

Marovoay no mananana betsaka indrindra manaraka Belo tsiribihina ary Mitsinjo

Manjakandriana , Ihosy, Antsiranana II, Ambatofinandrahana, Toliara II, Tsiroanomandidy no kely indrindr manaraka azy ao Manakara, Fandriana, Taolagnaro izay mitovy

  • IREO VOLA NAROTSAKA
  • Ny taona 2015: 1 249 385 000
  • Ny taona 2016: 1 204 355 000
  • Ny taona 2017: 1 303 000 000
  • Ny taona 2018: 1 267 045 000
  • Ny taona 2019: 1 369 160 000
  • STATISTIQUE

Statistique ny karatra fanangonam-bokatra an-dranomatsaboka ny taona 2019

Amin’ny 782 mpanangom-bokatra dia 281 ihany no nanatitra ilay volet vert izny hoe 35,93 isan-jato

Statistique ny karatra fanangonam-bokatra an-dranomasina ny taona 2019

Amin’ny 1567 mpanangom-bokatra dia 589 no nanangom-bakotra izany hoe 37,59 isan-jato

Ny lamina asa amin’ity taona 2020 ity

araka ny didim-panjakana laharana faha 00.048/2008 tamin’ny 07 janvier 2008 andininy faha-2, ny fanavaozana sy ny fanomezana ny karatra maha-mpanangom-bokatra ho an’ny taona 2019 dia hanomboka ny   16 desambra 2019  ho avy izao ary hifarana ny  31 Martsa  2020.

 Izany dia atao eny amin’ny  efitra faha 21 ny  Direction Générale de la Pêche et Aquaculture Ampandrianomby ANTANANARIVO, miaraka amin’ny fampisehoana ireto antontan-taratasy voalaza  manaraka ireto  :

HO AN’NY VOKATRA AN-DRANOMASINA :

  • Taratasy fanapahana (decision) ; mikasika ny fahazoan-dalana hanangom-bokatra ary manan-kery (original);
  • Karatra fanangonam-bokatra  2019 (original et copie) ;
  • Taratasy fanambarana fahaverezan’ny karatra fanangonam-bokatra izay tsy maintsy mandalo eny amin’ny Sampandraharaha ny faritra misahana ny jono sy ny fiompiana anaty rano raha very ny karatra fanangonam-bokatra na ny taratasy fanapahana (original) mikasika ny fahazoan-dalana hanangom-bokatra ;
  • Tapakila ao amin’ny karine fandefasana ny vokatra (mba ho fanamarinana ny fandefasana isam-bolana ny visa de conformité aty amin’ny Ministera ;

Ampahatsiahivina isika fa   :

  • Ny fanomezana karatra fanangonanm-bokatra vaovao 2020 dia mitaky fandoavana ny haba mifandraika amin’izany any amin’ny tahirim-bolam-panjakana ho an’ny M,insistera eny Tsimbazaza ANTANANARIVO, ny sarany ampiharina dia atao peta-drindrina any amin’ny Sampandraharaha ny faritra misahana ny jono sy ny fiompiana anaty rano ;
  • Ny fanavaozana dia tsy ho ekena intsony ho an’ny mpanangom-bokatra izay tsy nahatonga ny tatitra isam-bolana ;
  • Ireo karatrafananonambokatra tamin’ny taona 2019dia hitsahatra tsy hanan-kery intsony manomboka ny voalohan’ny volana janoary 2020 ;
  • Ny tompon’ny karatra ihany na ny solon-tenany izay nomeny fanomezan-dalana  voamarin’ny Sefom-pokontany na ny Ben’ny tanana no afaka maka ny karatra fanangonam-bokatra.

HO AN’NY VOKATRA AN-DRANOMAMY:

Mitovy  ny amin’ny andranomasina fa tsy  misy taratasy fanapahana (decision); mikasika ny fahazoan-dalana hanangom-bokatra ary manan-kery(original)

TOROLALANA MOMBA NY FAHAZOANA ALALANA HANANGOM-BOKATRA AN-DRANOMASINA

                                                   *****************************

( fivarotana ny vokatra manerana ny firenena)

Manao fangatahana alefa amin’Atoa Minisitry Fambolena ny Fiompiana ary ny Jono (ampandalovina amin’Atoa Tale Regionaly ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ary any amin’ny lehiben’ny Faritra anaovana ny fanangonana) milaza ny karazam-bokatra sy ny toerana (distrika) tiana ho trandrahana

ANTONTA- TARATASY AMPIARAHANA AMIN’NY FANGATAHANA

  • Filazana momba ilay mpangataka (n° CIN, adiresy, ireo fitaovana ampiasaina sy ny asa voaforona amin’ny fitrandrahana);
  • Fianianana fa handoa ny haba (redevance) ao anantin’ny enim-bolana (6) ao aorian’ny daty nanaovana Sonia ny fahazoan-dalana.
  • Kaonty mampiseho ny vinavinan’ny fitrandrahana isan-taona mandritran’ny dimy taona;
  • Fanamarinam-ponenana;
  • Kopian’ny Karapanondro
  • Taratasy hafa mety hanampy amin’ny fangatahana.

Lalana alehan’ny fangatahana

  • Fandraisana ireo antonta- taratasy fangatahana ao amin’ny Foiben’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono eo amin’ny faritra misy ilay Distrika tiana anangonana mba hakana hevitra ara-teknika momba ilay tetikasa
  • Fakana ny hevitrin’ny Lehiben’ny Faritra
  • Ny Ministra misahana ny Fambolena sy ny Fompiana ary ny Jono irery ihany no afaka manao Sonia ny fahazoan-dalana rehefa vita ny fandinihina ataon’ireo teknisiana
  • Ny lisitr’ireo nahazo fahazoan-dalana dia azo jerena ao amin’ny Foiben’ny Harena Anaty Rano sy ny Jono eo amin’ny faritra izay nametrahana ny fangatahana

TOROLALANA MOMBA NY FANAVAOZANA NY TARATASY FANAPAHANA MOMBA NY FAHAZOANA ALALANA HANANGOM-BOKATRA AN- DRANOMASINA LANY ANDRO

(fivarotana ny vokatra manerana ny firenena)

Manao fangatahana alefa amin’Atoa Minisitry Fambolena ny Fiompiana ary ny Jono (ampandalovina amin’Atoa Tale Regionaly ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ary any amin’ny faritra nahazoana alàlana hanangonana)

Ary manamarika fa fangatahana fanavaozana ny taratasy fanapahana no atao (miaraka amin’ny nomerao famantarana ilay taratasy fanapahana)

ANTONTA- TARATASY AMPIARAHANA AMIN’NY FANGATAHANA

  • Filazana momba ilay mpangataka (n° CIN, adiresy, ireo fitaovana ampiasaina sy ny asa voaforona amin’ny fitrandrahana);
  • Fianianana fa handoa ny haba (redevance) ao anantin’ny enim-bolana (6) ao aorian’ny daty nanaovana Sonia ny fahazoan-dalana.
  • Kaonty mampiseho ny vinavinan’ny fitrandrahana isan-taona mandritran’ny dimy taona;
  • Fanamarinam-ponenana;
  • Kopian’ny Karapanondro
  • Taratasy hafa mety hanampy amin’ny fangatahana.

Lalana alehan’ny fangatahana

  • Fandraisana ireo antonta- taratasy fangatahana ao amin’ny Foiben’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono eo amin’ny faritra misy ilay Distrika tiana anangonana mba hakana hevitra ara-teknika momba ilay tetikasa
  • Ny Ministra misahana ny Fambolena sy ny Fompiana ary ny Jono irery ihany no afaka manao Sonia ny fahazoan-dalana rehefa vita ny fandinihina ataon’ireo teknisiana
  • Ny lisitr’ireo nahazo fahazoan-dalana dia azo jerena ao amin’ny Foiben’ny Harena Anaty Rano sy ny Jono eo amin’ny faritra izay nametrahana ny fangatahana

Comments are closed.