Vokatra biolojika hifehezana ny olitra mpanimba ny voly katsaka

Tsy tokony hitebiteby sy hanana ahiahy intsony ny tantsaha Malagasy mpamboly katsaka manoloana ny “Chenille legionnaire d’Automne -CLA” izay fahavalon’ny voly, indrindra ny katsaka.
Noho ny ezaka nataon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP), tamin’ny alalan’ireo teknisianina eo anivon’ny DPV sy ny FOFIFA, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny FAO, ESSAGRO, ny Oniversiten’Antananarivo, ary manam-pahaizana avy ao Afrika, dia misy voka-pikarohana nivoaka hoentina hifehezana izany CLA izany. Fanafody voanajahary, mahomby ary tsy misy afa tsy eto Madagasikara izy io, antsoina hoe “BT” na « Bacillus Thuringiensis ». Afangaro amin’ny Fotsimbary 50g io biopesticide io dia efa mahenika tanimboly 1ha.Marihina fa tsy misy fiantraikany amin’ny tontolo iainana sy amin’ny fahasalaman’ny olona izy ity.

Tao amin’ny kaominina Niarovana Caroline, distrikan’I Vatomandry no nanaovana ny andrana voalohany, ka nisy ny fametrahana Saha Sekolin’ny Tantsaha missa 14. Tantsaha 257 no nofanina tamin’izany, izay ny 58% dia vehivavy. Nandritry ny fanofanana  dia nisy ny fikarohana natao momba ny masomboly, ny zezika fampiasan’ny tantsaha ary ny fomba famboleny.  Mandaitra 100% ity fanafody biolojika ity ary mahomby tokoa araka ny andrana natao.

Fametrahana paik’ady nasionaly

Efa nametraka paik’ady nasionaly ihany koa I Madagasikara hifehezana tanteraka ity olitra mpanimba katsaka ity. Misy teboka dimy lehibe mandrafitra azy dia ny fampianarana sy ny fampahafantarana ny tantsaha ny atao hoe olitra mpanimba voly katsaka sy mombamomba azy rehetra, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny serasera izany, fametrahana paik’ady eo amin’ny lafiny ara-teknika na “vulgarisation technique” amin’ny alalan’ny ady voahevitra tsara na ny “lutte raisonnée”, ny fikarohana mifototra amin’ny ady atao amin’ny CLA, ny politikan’ny fanjakana manohana izany fikarohana izany ary ny fandrindrana amin’ny ankapobeny eo amin’ireo mpisehatra rehetra voakasika.

Ny taona 2018 no efa nanomboka nandray an-tanana feno tamin’ny fifehezana ny olitra mpanimba voly katsaka ny MAEP sy ny FAO tamin’ny fametrahana tetikasa iray, “Tohana laharam-pahamehana amin’ny fametrahana lamina fanaraha-maso sy fanoherana ary fitsirihana marolafy ny CLA eto Madagasikara”, fiaraha-miasa ara-teknika TCP/ MAG/ 3701. Tanjon’ity tetikasa ity ny hanamafisana  ny fahafahan’ny firenena mitantana ny  fielezan’ny CLA ary ny hampihenana ny  fahapotehan’ny voly katsaka.

Efa mandeha ny asa rehetra  amin’izao fotoana izao ary ny taona ho avy dia hanomboka hiparitaka amin’ny faritra 22 ny fanapariahana ny fanafody biolojika sy ny fampianarana ny tantsaha. Ao anatin’ny 2 na 3 taona eo dia ho voafehy tanteraka ny olitra mpanimba ny voly katsaka. Antenaina fa hiakatra tsikelikely ny vokatra katsaka eto Madagasikara  hiverina amin’ny laoniny ny famokarana.

———————————————

Produit biologique de lutte contre la CLA

Désormais, les producteurs de maïs Malagasy ne devraient plus être anxieux et inquiets face à la Chenille Légionnaire d’Automne ou CLA. La menace est maîtrisée.
Grâce aux efforts du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP), à travers les techniciens du DPV et de la FOFIFA, des différents chercheurs de l’Université d’Antananarivo, de l’Essagro, et d’experts africains, appuyés par la FAO, une souche biologique appelée “BT” ou “Bacillus Thuringiensis” a été découverte. Les tests ont démontré que cette bactérie naturelle et endémique à Madagascar est capable de tuer la CLA. Mélangé à 50g de riz blanc, elle peut recouvrir 1ha de champ de maïs. Notons qu’elle n’affecte ni l’environnement ni la santé humaine.

Le premier test a été réalisé dans la commune de Niarovana Caroline, district de Vatomandry, où 14 Champs écoles paysans ont été mises en place et 257 agriculteurs formés, dont 58% de femmes. Des recherches sur les semences, les engrais et les pratiques culturales ont été également menées. Ce remède biologique est efficace à 100% selon les tests d’efficacité qu’on avait entrepris.

Mise en place d’une stratégie nationale

De ce fait, une stratégie nationale a été mise en place pour mieux contrôler et gérer durablement ce fléau. Cinq principaux points ont constitué cette stratégie dont l’éducation et la formation des agriculteurs sur la Chenille légionnaire, à travers le renforcement de la communication, la vulgarisation technique par la lutte raisonnée, la recherche sur la CLA, la politique de l’Etat facilitant et appuyant ces recherches et la coordination entre les acteurs impliqués.

En 2018, le MAEP en partenariat avec la FAO ont déjà commencé à œuvrer de concert dans la lutte, avec la mise en place du projet de coopération technique TCP/ MAG/ 3701 « Appui d’urgence à la mise en place d’un système de surveillance, riposte  et contrôle intégré de la chenille légionnaire d’automne à Madagascar ». Ce projet vise à renforcer la capacité nationale à gérer la propagation de la CLA et à atténuer la gravité des dégâts sur les cultures de maïs. 

Les activités sont actuellement en cours, et l’année prochaine, la sensibilisation sur ce nouveau produit de lutte biologiques et l’éducation des paysans commenceront à s’étendre dans les 22 régions de Madagascar. Dans 2 ou 3 ans, la CLA sera entièrement maîtrisé. Il est à espérer que la production de maïs à Madagascar reviendrait progressivement à la production normale.

Retour

Comments are closed.