Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fivarotana litchi ara-kalitao izay novokarin’ireo tanora nahazo fiofanana avy amin’ny FORMAPROD
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny talata 03 desambra 2019 tao amin’ny Gare routière Andohatapenaka ny fivarotana litchi novokarin’ireo tanora avy ao amin’ny fikambanana TAMBATRA, avy amin’ny faritra Atsinana, izay nahazo tohana tamin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono tamin’ ny alalan’ny fandaharanasa FORMAPROD. Litchis milanja 150 T, voafantina, tsara kalitao ary voakarakara tsara mitovy amin’ireo vokatra ahondrana any ivelany no heverina hamidy mandritra ny 20 andro amin’ny toerana izay betsaka olona mifamezivezy eto an-drenivohitra toy ny eny amin’ny Gare Routière Andohatapenaka, Cotisse Ambodivona ary eny amin’ny Shop Liantsoa Antanimena.
Lancement officiel de la commercialisation de litchi de qualité par les jeunes sortant de FORMAPROD
Dans le but de relancer la filière litchi qui est un pourvoyeur de devises, le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche a soutenu l’initiative de commercialisation de litchis haut de gamme à Antananarivo des jeunes producteurs de l’association TAMBATRA , de la Région Atsinanana, appuyés par FORMAPROD. L’objectif est de vendre pendant 20jours 150 T de litchis soigneusement préparés depuis la production jusqu’ à la vente, en passant par la cueillette, la mise en garaba, dans les endroits très fréquentés de la ville : la Gare routière d’ Andohatapenaka, dans l’enceinte de Cotisse transport Ambodivona et Shop Liantsoa Antanimena. La cérémonie de lancement officiel de cette action de valorisation s’est déroulée à la gare routière d’Andohatapenaka le 03 décembre 2019.
Comments are closed.