Fampiroboroboana ny harena manga

Anisan’ireo firenena dimy hisitraka ny « Tetikasa ho fanatsarana ny velon-tena, sy fiahiana ara-tsakafo ary ny aro-loza amin’ny alalan’ny fanamafisana  ny fahaiza-manaon’ireo vondron’ny mpanjono mivelona amin’ny jono eny amin’ny vatohara » i  Madagasikara. Misy araka izany  ny fikaonan-doha  nandritry ny roa andro tanterahana tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina  ny 09 sy 10 Desambra 2019 ho tombontsoan’ireo vondron’ny  mpanjono  ireo sy ho fanamarihana ny fanombohan’ny tetikasa izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena manga.

Mandritry ny telo taona no hanatanterahana ny tetikasa ka hifantoka indrindra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny jono eny amin’ny vatohara, fiarovana sy famerenana amin’ny laoniny izany mba hisin’ny fidiram-bola, fanatsarana ireo rojom-pihariana jono sy ny fidirana amin’ny tsena  ary ny fiarovana ny ranomasina. Ity tetikasa ity ihany koa dia mandray anjara feno amin’ny fiarovana  sy fampiasana maharitra ny ranomasimbe sy ny ranomasina ary ireo harenan-dranomasina samihafa mba hitondra fampandrosoana ho lovain-jafy, amin’ny alalan’ny ady atao  amin’ny jono mihoa-pefy sy ny tsy manara-dalàna  ary ny fampiroboroboana ny fikajiana ny tontolon’ny vatohara sy ny ala honko.

Fiarovana ny sakafo sy ny fanjarian-tsakafo

Hiara-hisalahy  amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono amin’ny  fanatanterahana ity tetikasa ity ny FAO sy ny Governemanta  Japoney mandritry ny fanatanterahana ny asa, ka ny Governemnata  Japoney no hamatsy vola izany. Mitentina efatra hetsy sy efatra tapitrisa dolara amerikana (4 400 000 USD) ny tetikasa, ho ani’ireo firenena dimy voakasika dia i Kenya, Madagascar, les Comores, Maurice et Seychelles. Manoloana ny vina amin’ny hahavitan-tena ara-tsakafo dia  hanana ny anjara-toerana lehibe  ity Tetikasa ity ho fiarovana ny sakafo sy ny fanjariana izany, ny fanatsarana ny tontolo iainana ary ny loharanom-bolan’ireo  mponina mpanjono.

Mpandray anjara miisa 25 avy amin’ireo firenena dimy hisitraka ny tetikasa araka izany no niaraka  nikaon-doha  sy nifampizara traikefa amin’ny fomba hitantana ny jono an-dranomasina, ny fomba hanamaivanana ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny hiatrehan’ireo mpanjono izany ary ny  fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena voakasika. « Vonona hitondra ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny jono  ho fanohanana an’i Madagasikara ny Governemanta Japoney » raha ny nambaran’ny Masoivohon’i Japana, Atoa Ishiro OGASAWARA.

———————————————-

Croissance bleue

Madagascar fait partie des cinq pays bénéficiaires du « projet d’amélioration des moyens de subsistance, de la sécurité alimentaire de la sécurité maritime grâce au renforcement de la résilience des communautés de pêcheurs tributaires de pêche en récif corallien ». Pour cela, un atelier de deux jours a marqué le lancement de ce projet à l’hôtel Colbert  Anosy le 09 et 10 décembre 2019, au profit des groupes des pêcheurs et pour la promotion de l’économie bleue de la grande île.

Durant trois ans d’exercice, le projet se focalisera sur l’amélioration de la gestion de la pêche des récifs coralliens tant pour la restauration et la protection que pour la génération de revenu, l’amélioration des chaînes de valeur de la pêche et l’accès aux marchés pour les produits de la pêche des récifs coralliens, et la sécurité maritime accru. Ce projet contribuera également à conserver et utiliser durablement les océans, les mers et les ressources marines au service de développement durable en luttant contre la pêche illicite, et promouvoir la conservation des écosystèmes de récifs coralliens et de mangroves.

Vers la sécurité alimentaire et sa protection

La FAO et le Gouvernement Japonais coopèrent avec le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche pour la mise en œuvre de ce projet financé par le gouvernement japonais, à hauteur de 4 400 000USD au profit des cinq pays dont Kenya, Madagascar, les Comores, Maurice et Seychelles. Vers une vision d’autosuffisance durable, le projet jouera un rôle clé dans la sécurité alimentaire et sa protection, l’amélioration de l’environnement et la source de revenu des pêcheurs.

Au moins 25 participants des cinq pays impliqués dans le projet se sont réunis pour se partager et de s’échanger sur la gestion des pêches maritimes, la façon d’atténuer les effets du changement climatique et également la coopération entre les pays concernés. « Le gouvernement japonais est prêt à apporter son expertise au secteur de la pêche pour soutenir Madagascar », a déclaré l’ambassadeur du Japon, Ishiro OGASAWARA.

Retour

 

Comments are closed.