Fanandratana ny vokatra bio Malagasy

Tanterahina ao amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny 28 ka hatramin’ny 30 Novambra 2019 ny “salon biolojika” andiany voalohany. Hetsika natao hanetsehana ny tsena biolojika eto Madagasikara amin’ny alàlan’ny fanomezana laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny sehatry ny famokarana, ny varotra ary ny fanamafisana ny rohy eo amin’ireo sehatra mpandray anjara samihafa.

Ny fambolena biolojika dia rafitra famokarana izay manatsara ny fahasalaman’ny tany, ny tontolo iainana ary ny olombelona, fambolena mitondra anjara biriky amin’ny fanavaozana ny tontolo ambanivohitra.

Manoloana ireo firenena miisa 164 izay mampiatra ny famokarana biolojika, dia laharana faha-18 i Madagasikara raha jerena ny isan’ny tantsaha. Raha ampitahaina amin’ireo firenena afrikana 36 voamarina fa mamokatra biolojika dia mitana ny laharana faha-4 izy raha ny isan’ny mpamokatra no jerena. Voalohany eran-teny  kosa i Madagasikara  amin’ny  lavanila, makamba, jirofo ary ylang ylang. Manodidina ny 100 miliara dolara ankehitriny vola miasa amin’ny tsena biolojika maneran-tany, ka ny 90% dia ao Eropa sy Etazonia. Miakatra 10% isan-taona ny tinady ary nitombo avo roa heny izany tao anelanelan’ny 2017 sy 2016. 90 tapitrisa euro ny totalin’ny vola mivezivezy eo amin’ny sehatra biolojika miverina vola eto Madagasikara, ary nahitana fiakara 25% ny varotra ambongadiny ka izany indrindra no mahatonga ny tinady tsy maharaka ny tolotra.

Ity hetsika iarahan’ny MAEP (Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono) sy ny SYMABIO (Syndicat Malagasy de l’Agriculture Biologique) mikarakara ity noho izany dia manome hirika ireo mpamokatra, ireo mpanondrana, mpanodina, mpamatsy fitaovam-pamokarana, ary ireo mpisehatra rehetra mampiranty sy mampiroborobo ny vokatra biolojika, ary hanomezana torohevitra maro ho an’ireo izay liana hampivoatra ny sehatra biolojika. Maro ireo mpandraharaha ara-biolojika misehatra amin’ny seha-pihariana isankarazany no tonga manatrika ny hetsika ary maherin’ny 5000 ny mpitsidika andrasana amin’izany.

Lalàna vaovao momba ny famokarana bio

Tafiditra ao anatin’ny programam-panjakana ankehitriny moa ny hampiroborobo sy hampandroso ny famokarana biolojika eto Madagasikara. Manana erjjika goavana entina mampivelatra izany Madagasikara, na ho an’ny Malagasy izany na ho an’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy mbola misy anefa ny lalàna  mamaritra ny rafi-pamokarana sy hifehezana tanteraka an’izany , izany indrindra no antony hametrahana ny lalàna vaovao hifehezana ny famokarana biolojika eto Madagasikara,  mba ahazoan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa ny tombotsoany avy. Ny fametrahana rafi-pitantanana ny famokarana biolojika  noho izany no tohin’ity hetsika andiany voalohany ity. Ny volavolan-dalàna dia efa nandalo tamin’ny filankevitry ny governemanta ny 6 Oktobra 2019 ary haroso eo anivon’ny parlemanta izany mba ahafahana mametraka azy tena ho lalàna. Efa andalam-pamolavolana ny paikadim-pirenena ho an’ny famokarana biolojika ihany koa ny fanjakana amin’izao fotoana.

————————————

Salon biolojika : le bio malgache à l’honneur

Le village Voara accueille du 28 au 30 novembre 2019 la première édition du Salon biolojika
L’objectif de cet évènement de grande envergure est d’impulser le marché bio à Madagascar encore sous exploité, en privilégiant le développement du secteur agricole, le commerce et le renforcement des liens entre les différentes entités participantes.

L’agriculture biologique est un système de production qui soutient la santé du sol, les écosystèmes et les gens. C’est une agriculture qui contribue à la formalisation du monde rural. Au regard des 164pays exerçant une agriculture biologique, Madagascar se situe au 18ème rang mondial en terme de nombre d’exploitant. Par rapport au 36 pays africains producteurs certifiés biologique, Madagascar est classé 4ème au rang des nombres d’exploitants. Madagascar est numéro un mondial de vanille, de la crevette, du girofle,  de l’ylang ylang. Le marché de bio est estimé à 100 milliards de dollars aujourd’hui, et 90% sont destinés à l’Europe et aux Etats Unis. La demande croit de 10% par an, et doublé entre 2007 et 2016. Le secteur bio aujourd’hui est de 90millions d’euro qui rentre en devise à Madagascar.  On constate aujourd’hui une croissance de 25% des ventes en grandes distribution, c’est ce qui explique qu’aujourd’hui, la demande ne dépasse actuellement l’offre.

Ce salon, fruit d’un partenariat entre le MAEP (Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche) et le SYMABIO (Syndicat Malagasy de l’Agriculture Biologique) est donc une opportunité pour les producteurs, les exportateurs, les transformateurs, les fournisseurs d’intrants, et à tous les acteurs biologiques de présenter et promouvoir les produits bio de Madagascar. Nombreux opérateurs du secteur Bio issus de différentes filières sont présents au salon. Pour cette première édition plus 5000 visiteurs sont attendus.

Projet de loi sur l’agriculture biologique en cours

Promouvoir et développer la production biologique à Madagascar s’inscrit dans les priorités de l’Etat Malagasy.  Madagascar dispose d’un potentiel énorme en matière de développement de la biodiversité, tant pour le marché national que pour le marché international. Pourtant, aucune loi ne définit pas encore ce système de production.  La mise en place d’un cadre réglementaire de l’agriculture biologique s’inscrit  dans la continuité de cette première édition. Le projet de loi est déjà passé au conseil de gouvernement le 06 octobre 2019 et la stratégie nationale de l’agriculture biologique est également en cours d’élaboration.

Retour

Comments are closed.