CRFAR Analamanga : Fifaninana fanatanterahana tetikasa

Ho tohin’ny fanohanana ireo tanora  nahazo fiofanana tamin’ny alalan’ny FORMAPROD,  fandaharanasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fompiana ary ny Jono, dia misokatra indray  ny  fifaninanana fanatanterahana tetikasa  izay karakarain’ny CRFAR na ny Kaomitim-paritry ny fiofanana ara- pamokarana eny amin’ny tontolo Ambanivohitra, rafitra vaovao natao hifaharana ary hijerena  manokana ny fiofanana hoan’ireo Tanora nilaozan’ny fampianarana eo anivon’ny Faritra Analamanga.

Tanjona amin’ny fikarakarana ity fifaninana ity  ny mba ahafahan’ireo tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ary ny mba ahatsapan’izy ireo fa misy ny tetikasa afaka manohana azy amin’ny fijerena ny asa mety heveriny fa hanatsarana ny fiainany.

Mizara 2 ny fifaninana

Mizara roa ny fifaninana, ka ny voalohany dia ho an’ireo Tanora maherin’ny Sivy arivo (9000) nahazo fiofanana sy tohana mivantana tamin’ny Formaprod ho fanombohana ny tetikasa ary efa manatanteraka ny tetikasany, sy ireo niainga tamin’ny herin’ny tenany manokana . Hojerena mandritry  ny fifaninana ny kalitaon’ny tetikasan ‘izy ireo, ny vokatra azony sy ny fomba fivoaran’ny tetikasany. Ny sokajy faharoa dia fifaninana hoan’ireo Tantsaha mpiahy  ireo tanora ireo ka hojerena amin’izany  ny traikefa ananan’izy ireo, ny fomba fampitany ny traikefany amin’ireo tanora, ny kalitaon’ny fiofanana izay omeny, ny fitaovana ampiasainy amin’ny fampitana ny fiofanana, sns.

Tanora nahazo fiofanana tao amin’ny Formaprod sy ireo tantsaha mpiahy noho izany no afaka mandray anjara amin’ny fifaninana .Efa misokatra ny fisoratana anarana  ary ny 05 Desambra 2019 no fara-fanaterana ny antontan-taratasy ao amin’ny CFA Anjepy, LTP Ankazondandy, SAF  FJKM Soavina, ny foiben’ny FORMAPROD rehetra, ny CAFPA Mahitsy, Fafiala Ambohimangakely, DRAEP na CIRAEP eto amin’ny faritra Analamanga.

Fitaovana sy hanam-pamokarana no loka homena ireo telo voalohany araka ny sokajy misy ireo mpifaninana. Mbola hitondra fanohanana hoazy ireo koa ny Tetikasa  Fihariana sy ny Tahirim-bola ho fampiroboroana ny famokarana  na ny FDA.

———————————————————

CRFAR Analamanga : concours de mise en œuvre du projet

Le Comité Régionale de Formation Agricole Rurale  en partenariat avec le programme FORMAPROD lance le concours du meilleur projet agricole. Il s’agit d’un nouveau système conçu pour  la formation des jeunes déscolarisés dans la région Analamanga.

L’objectif de ce concours est de permettre aux  jeunes  ayant reçu l’appui du programme FORMAPROD de s’investir dans le secteur agricole et de les informer que l’Etat par le biais du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche est toujours prêt à les épauler  pour améliorer leur niveau de vie.

Le concours se divise en deux catégories. La première concerne les neuf mille jeunes (9 000) qui ont reçu une formation et des appuis directs du FORMAPROD pour le lancement de leurs projets et qui mettent déjà en œuvre leurs projets, ainsi que ceux qui réalisent leur projet issus de leur initiative personnelle. La qualité de leurs projets, leurs résultats et l’évolution de leurs projets seront évaluée.

La deuxième catégorie est un concours destinés aux tuteurs de ces jeunes dans lequel  les compétences et expériences, les méthodes utilisés, la qualité de la formation qu’ils dispensent et les outils de travail qu’ils fournissent seront examinés.

Les jeunes formés du FORMAPROD et ses tuteurs peuvent donc participer à ce concours.            L’inscription est déjà ouverte au sein du CFA Anjepy, LTP Ankazondandy, SAF FJKM Soavina, au niveau de tous les sièges de FORMAPROD, au CAFPA Mahitsy, Fafiala Ambohimanagakely  et au niveau des DRAEP ou CIRAEP Analamanga, et sera clôturé le 5 décembre 2019.

Des matériels et intrants agricoles seront remis aux trois premiers méritants selon la catégorie du concours. Le projet Fihariana et le FDA pourront également apporter des soutiens supplémentaires pour promouvoir la production.

Retour

Comments are closed.