SOMPITRA IOMBONANA :manampy ny tantsaha mpamboly vary

 Sompitra iombonana mahazaka vokatra 100T izay tatanana fikambanana tantsaha misy mpikambana 206 tao Samimasina , kaominina Anjomà, Distrika Ambalavao no fotodrafitrasa voalohany natsangan’ny fandaharanasa DEFIS, izay eo ambanin’ny Ministeran’ny Fambolena  sy ny Fiompiana ary ny Jono, tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy  amin’ireo faritra iasany.Fikambanana tantsaha ao anatin’ny   fikambanana LOVASOA/FIVOARANTSOA  no misitraka sy mitantana ity fotodrafitrasa ity izay nitentina 93.000.000Ariary.

Tanjona ny hanampiana ny tantsaha mpamboly vary ao amin’ny lemaka voatondraka Vohisambo izay manana velarana mihoatra ny 700ha, ho amin’ny fanangonana sy fitahirizana ny vokatr’izy ireo. Anisan’ny antony nananganana ity trano fitehirizam-bokatra ity ihany koa ny fanamorana ny famoaham-bokatra sy fifandraisan’ireo tantsaha mpamokatra amin’ny mpandraharaha.

Zezika Guanomad 420 kitapo, masomboly X265 370t, fihavam-bary 140, angadin’omby 42, ragiragy 42, borety 42 no natolotra ireo mpamokatra mikambana ao amin’ny LOVASOA/ FIVOARANTSOA ny 12 novambra 2019  mba hanatrarana ny vokatra 4-6T/Ha ka ahatongavana any amin’ny ny fahavitantena ara-tsakafo.

Tantsaha mpamokatra 375 ihany koa no notoloran’ny MAEP hanam-pamokarana sy fitaovam-pamokarana, ny 13 Novambra 2019 tany  amin’ny distrikan’Ikalamavony, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS. Masomboly X265 3.5t, masomboly katsaka 8t, zezika Guano 25 t, angadin’omby 51, ragiragy 45, borety 85, fihavam-bary 170, « motoculteurs » 2. Ireo tantsaha ireo dia miara- miasa amin’ny saha sekoly 15 amin’ny lalam-pihariana vary ary 18 amin’ny lalam-pihariana katsaka.

GRENIER COMMUNAUTAIRE VILLAGEOIS : aide les Riziculteurs

Un grenier communautaire villageois d’une capacité  de 100T,  géré par 206 paysans membres des Organisations Paysannes LOVASOA/FIVOARANTSOA à  Samimasina, Commune rurale Anjoma, District Ambalavao a été  la première infrastructure réalisée par le Programme DEFIS dans la Région de la Haute Matsiatra. Le coût de la construction est de 93 000 000 Ariary.

Afin de stoker  les récoltes des riziculteurs du périmètre irrigué de Vohisambo, d’une superficie de plus de 700 ha, ce GCV sert à conserver la qualité de riz (protection contre les rongeurs et l’humidité) et à permettre à la famille de consommer du riz durant toute l’année, y compris la période de soudure tout en facilitant la commercialisation des produits et favorisant la relation des agriculteurs aux entrepreneurs.

420 sacs d’engrais Guanomad, 370T de semences X265, 140 sarcleuses, 42 charrues, 42 herses, 42 brouettes ont été offertes aux organisations paysannes à Anjomà, District Ambalavao le 12 novembre 2019 pour augmenter le rendement de 4 à 6 T / ha, et ainsi d’atteindre l’autosuffisance en riz.

 375 agriculteurs du district d’Ikalamavony  ont bénéficié  de la part du MAEP par le biais du Programme DEFIS, des intrants  et matériaux agricoles tels que 3.5T de semence X265, 8T de semences de maïs, 25Td’engrais Guano, 51 charrues, 45 herses, 85 brouettes, 170 sarcleuses, 2 motoculteurs. Ces agriculteurs coopèrent  avec des champs écoles paysans dont  5 sur la filière riz et 18 sur la filière maïs.

Retour

Comments are closed.