TSENABE PANGALANA ANDIANY FAHAROA-FESTIVAL GNE VOKATRY

« Miara mive ho amin’ny fampandrosoana hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo”, io ny teny filamatra navoitra nandritra ny tsenabe Pangalana andiany faharoa, izay notontosaina ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 tao Mananjary, faritra Vatovavy Fitovinany. Tanjona ny fampifandraisana ireo mpandraharaha ara-barotra sy ireo vondron’ny tantsaha mba ahitana lalam-barotra hanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mpamokatra tantanam-pianakaviana, sy hisian’ny fampandrosoana ara-toe-karenan’ny faritra. Maro ny vokatra mampiavaka ny Faritra, isan’izany ny voly fanondrana, ny kafe, ny tantely, ny vary, ny hazan-dranomasina.

Nandritra ny tsenabe dia nisy ny “famelabelaran-kevitra isan-karazany, toy ny fampahafantarana ny mpamokatra ny “Agriculture contractuelle sy ny aggregation”, izay laharam-pahamehana entin’ny fandaharanasa DEFIS ho amin’ny fampiroboroboana ny vokatra café, tantely, vary. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ara-pamokarana ny fitodihana amin’ny tsena, ka tokony hiditra amin’ny matihaninana bebe kokoa ny mpamokatra. Misy ny fifanarahana ara-barotra hifampifehezan’ny mpandraharaha ao anatin’izany hialana amin’ny vesatran’ny tantsaha mpamokatra ka samy hahazo tombontsoa ny rehetra.

Nisy ihany koa ny « fampihaonana mivantana na rencontre B to B » teo amin’ireo tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha mpividy vokatra, hanamafisana an’izay fandraharahana ara-barotra izay, ka hamalian’ireo tantsaha mpamokatra ny fepetra takiana amin’ny famokarana na kalitao na habetsahana izany.

Ankoatra izay dia nisy ny tohana ara-pitaovana nentin’ny Minisitera ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, ho an’ireo tantsaha toy ny sarety 5, angadin’omby 9 ,hersa 3,borety 1,fivelezam-bary 2,”motopompe” 3, harato 395 ary kisoa 45 sy akoho 75, tamin’ny alalan’ny FDA, nandritry ny tsenabe. Ny fandaharanasa DEFIS sy ny Antenimieran’ ny Varotra sy ny Indostria moa no nikarakara ity hetsika ara-toekarena sy ara-kolotsaina ity. Farafangana indray no handray ny tsenabe Pangalana andiany fahatelo amin’ny ho avy.

FOIRE PANGALANE 2EME EDITION-FESTIVAL GNE VOKATRY

Le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche à travers le programme DEFIS et la chambre de commerce et de l’industrie de la région Vatovavy Fitovinany a organisé la 2ème édition de la foire Pangalane du 23 au 26 octobre 2019 à Mananjary. Cette deuxième édition avait pour  slogan «Ramons ensemble pour le développement, et vers l’atteinte de l’autosuffisance alimentaire à Madagascar ».

Cet évènement vise à soutenir l’économie de la région par la promotion des filières à forte valeur ajoutée  comme le café et le miel et de mettre en relation les Exploitants Agricoles Familiaux et les Organisations Paysannes avec les Opérateurs du Marché afin d’améliorer les revenus des exploitants agricoles familiaux et des petits/micro entrepreneurs ruraux

Grâce à la rencontre Be to Be initiée par les organisateurs des opérateurs importants  ont pu rencontrer les producteurs. Le MAEP avait également participé à des conférences débats  accès sur plusieurs  thèmes comme l’agriculture contractuelle, l’agrégation qui est la priorité du programme DEFIS pour le développement de la filière café, miel et riz.

Durant la foire, les organisations paysannes soutenues par le MAEP ont reçu des appuis en termes de matériels agricoles à travers le Fonds de développement de l’Agriculture. Il s’agit de 5 charrettes, de 9 charues,3 herses,1 brouette,2 batteuses mécaniques,3 motopompes,45 porcs et 75 poulets pour les agriculteurs et 395 pirogues pour  les pêcheurs.

La prochaine édition de cette rencontre économique et socioculturelle se déroulera dans la ville de Farafangana.

Retour

Comments are closed.