Hetsika ara-toekarena VOATRA: manasongadina ny vita malagasy

Notanterahina nandritry ny teo andro ny Alakamaisy 24 Oktobra, zoma 25 ary ny         Sabotsy 26 oktobra 2019 teo amin’ny zaridaina anosy ny hetsika ara-barotra VOATRA andiany faha enina, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa Tanana, sy ny Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ary ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Loha-hevitra nanentanana nandritry ny hetsika ny hoe “Ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny tohivakana rohimpihariana, enti-manatsara ny fahafaha-mifaninana”, entina hampiroboroboana ny vita Malagasy.

Ity hetsika ara-toe-karena izay iarahana miasa feno amin’ny PROSEPER ity dia manasongadina indrindra ny loharanon-karena sy ny zava-misy azo trandrahana eto amin’ny faritra Analamanaga sy ny manodidina, mifandraika amin’ny fahalalana, ny fahaiza-manao, sy ny fahaiza-mamorona eo amin’ireo sehatra mamokatra toy  ny fambolena, ny fiompiana, sns. Mamondrona ihany koa ireo orinasa madinika sy salantsalany ivelan’ny tanan-dehibe ary ireo orinasa vaventy. Ary hetsika ahafahan’ireo mpandray anjara avy any amin’ny faritra manodidina na avy lavitra mampisongadina ny vokatra sy ny tolotra avy any amin’izy ireo mba  ahafahany mandefa izany eo anivon’ny tsena andrenivohitra.

Tanjona voalohany amin’ny fikarakarana ny hetsika ny fampahafantarana ny vokatra, ny fivarotana azy, ny fahaiza-manaon’ireo orinasa madinika, salasalny ary vaventy, ny mpanao asa Tanana, ny fikambanana, ny vondrona, ny kaoperativa sy ny salohin’ny mpandraharaha. Eo ihany koa ny fampivoarana sy fampandrosoana ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandraharaha ara-toekarena izay ahitana ny mpamokatra, ny mpanao asa Tanana, ny mpanao tao-zava-baventy ary ny mpivarotra avy amin’ny faritra samihafa. Tanjona fahatelo ny fanomezan-tsehatra sy fampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoka fanararaotra sy ny fidirana eo amin’ny tsenambarotra izay mety hisy ary ny fahazoana antontan-kevitra tena ilaina mifandraika amin’izany. Tanjona farany ny fanapariahana sy fampivoarana ireo hetsika sy tolotanana mety ho azo avy amin’ireo sehatra matihanina, ireo tetikasa sy fandahranasa sy ny asa tsy voatanisa.

Ireo vokatra asa Tanana Malagasy no naranty nandritry ny hetsika, izay anisany mandray anjara feno amain’ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra.

Ny MAEP (Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono) moa dia manohana 100% ny vokatra vita Malagasy satria ny fampandrosoana dia miainga amin’ny fampiroboroboana ny vokatra eny ifotony. Ny fampiroboroboana ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ihany koa no sehatra voalohany ahafahana mampandroso ny tontolo ambanivohitra.

————————–

Salon de créativité VOATRA : promotion du vita Malagasy

La 6ème édition du salon de créativité VOATRA, initiée par le Ministère de l’Industrie, du Commerce et de l’Artisanat, du Ministère de l’Economie et des Finances ainsi que le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche s’est tenu le jeudi 24 au samedi 26 Octobre 2019 dans l’enceinte du jardin emblématique d’Anosy. Ce salon, qui se veut être un catalyseur de développement rural et local, régional voire national, incite la créativité et l’innovation du « vita malagasy ». Le thème de cette édition était « la transformation rurale, créatrice de chaîne de valeur vers la compétitivité » des entreprises rurales, industrielles artisanales des services.

Avec le partenaire technique du programme PROSPERER, cette activité économique met en évidence les ressources économiques exploitables dans la région Analamanga et ses zones voisines, en rapport avec les savoir-faire et les créativités dans les secteurs productifs comme l’agriculture, l’élevage, l’artisanat, etc. Ce salon a rassemblé des Micros Entreprises Rurales, des Petits Entreprises Rurales ainsi que des moyennes et des grandes entreprises de la région d’Analamanga et d’autres régions limitrophes ou plus éloignés, qui leur permettent d’exposer leurs produits et services en vue de les commercialiser sur le marché national.

Cet évènement, qui met en exergue le « vita malagasy » avait pour objectif (i) de faire connaître les  savoir-faire, de vendre les produits des micros et petites entreprises rurales, de leurs associations/groupements et coopératives ; (ii) de faire connaître les activités de transformation des produits de base locaux, régionaux et nationaux résultant de la créativité et de l’innovation émanant des artisans, des petites et moyennes entreprises industrielles, (iii) de promouvoir les partenaires entre les opérateurs producteurs, leurs associations et groupements, leurs coopératives, les artisans et les opérateurs de marché, (iv) de promouvoir et de favoriser les accès aux informations sur les produits et les services aux niveaux local, régional et national, et ainsi de favoriser les opportunités de partenariat.

Différents produits vita malagasy, qui contribuent pleinement au développement du milieu rural, ont exposé pendant ces trois jours.

Retour

Comments are closed.