Vita ny fanarenana ny tohadrano ao Bevava

Taorian’ ny fandalovan’ ny Filoha Andry Rajoelina tany amin’ ny Faritra Alaotra tamin’ ny volana Mey lasa teo dia napanantena ireo tantsaha mpamboly vary ao amin’ ny lemaka Marianina izy fa ho amboarina ny toha-drano ao Bevava.

Tonga nijery ifotony ny fandrosoan’ny asa fanarenana ny toha-drano ao Bevava, District Ambatondrazaka, ny Filoha sy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono RANARIVELO Lucien ny 14 oktobra 2019.

Manondraka tanimbary 3600ha ny tohadrano ao Bevava ary olona maherin’ny 5000 no misitraka izany. Nisedra  olana ity tohadrano lehibe ity nandritra  ny roa taona ka tsy afaka nanondraka ireo tanimbary eo amin’ ny lemaka ka nihena ny vokatra. Ho vita afaka andro vitsy ny fanavaozana sy fanamboarana natao teo amin’ ny tohadrano lehibe io. Tsy hisy intsony izany ny olana amin’ ny fanondrahana ireo tanimbary  ireo ho an’ ny taom- pambolena ho avy izao.

Nandritra io fitsidihana nataon’ ny filoha io dia nampahatsiahiviny tamin’ireo mpamboly fa ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny Malagasy ary Ambatondrazaka, amin’ny maha sompitra vary azy, dia tsy ho latsa-danja amin’ny asa fanavaozana sy ny asa fanarenana ataon’ny fanjakana. Hisy araka izany  ny asa ho fiarovana ny sahandriakan’ ny Bevava amin’ ny alalan’ ny fambolen-kazo, ny fanamboarana tohadrano eo amin’ ny reniranon’ i Moratelo izay ahafahana manao fanitarana lemaka 2900 ha  ary koa ahafahana mamboly vary indroa isan- taona.

ALAOTRA MANGORO : le barrage hydraulique de Bevava bientôt opérationnel

Dans le cadre du lancement des différents travaux inscrits dans le Velirano du Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA dans la Région Alaotra Mangoro,  Le Chef d’ Etat accompagné du Ministre en charge de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche Mr RANARIVELO Lucien ont effectué une visite  des travaux de réhabilitation du barrage de retenue de  Bevava District Ambatondrazaka   le 14 octobre 2019.

Le barrage de retenue de Bevava d’une capacité nominale de 30 000 000 millions de m3 assure l’irrigation de 3600 ha de rizières dont  1100 ha de la vallée Mariane  et 2500 ha du PC 15. Le Barrage de retenu de Bevava a subi depuis quelques années  des dommages. La vanne de prise a été coincée si bien que le barrage n’a pas pu assurer sa fonction principale, entrainant une mauvaise irrigation des rizières et une baisse de la production rizicole dans le périmètre.

Lors de sa visite au mois de mai, dernier le PRM a décidé d’effectuer la réhabilitation de cette infrastructure et Le Ministère de l’agriculture de l’Elevage et de la Pêche a entrepris les travaux de remise en état des mécanismes du barrage. Aujourd’hui les travaux de réhabilitation sont presque achevés permettant  une bonne  irrigation des 3600 ha de rizières  pour la campagne rizicole 2019-2020.

A travers son engagement n°9 le Président de la République de Madagascar vise l’autosuffisance rizicole ainsi que l’autosuffisance alimentaire par l’augmentation de la production rizicole, par la maîtrise d’eau ainsi que l’extension des périmètres rizicoles. En ce qui concerne la vallée Mariane, le ministère prévoit l’extension de près de 2900 ha du périmètre, de mettre en place des dispositifs antiérosifs sur les bassins versants ainsi que la réalimentation du barrage par dérivation de la rivière Moratelo. Ces initiatives permettront aux riziculteurs d’effectuer 2 campagnes rizicoles par an et surtout d’atteindre les objectifs du MAEP.

Retour

Comments are closed.