Fampandrosoana ny sehatrin’ ny Fambolena : hiara-hiasa akaiky ny teknisinanina Malagasy sy Sinoa.

Tontosa ny zoma faha 04 ny volana oktobra 2019 teny Ivato ny fanombohana ny tetikasa Fanohanana arateknika ny fanantanterahina ny fandaharanasa eo amin’ ny ny Fambolena sy Fiompina ary ny Jono na ny PSAEP. Sehatra telo iankinan’ ny fampiroboroboana ny tontolo ara toekarena sy ara-pambolena eto Madagasikara no hifantohan ny tetikasa, dia ny fambolembary, ny fiompina ondry sy osy, ary ny agribusiness.

Tafiditra ao anatin’ ny fiarahamiasan’ ny firenena Atsimo (Coopération Sud-sud) izay iharahana amin’ ny FAO sy ny firenena sinoa ny tetikasa. Vonona hizara ny traikefany amin’ ny firenena Malagasy ny Sinoa koa teknisianina manampahaizana 9 no  nalefany hiarahiasa amin’ ny teknisianin’ ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono.Tanjon’ ny tetikasa ny hampitombo ny vokatra, ny hiady amin’ ny tsy fanjarysakafo. Heverina fa hanampy amin’ ny fanatratrarana ny fahalehovantena ara tsakafo  iany koa izao tetikasa izao.

Eo amin’ ny sehatry ny fambolem-bary dia hifantoka amin’ ny teknolojian’ ny vary safiotra, amin’ ny fanatsarana ny teknikam-pambolena ary ny famokarana masomboly vary safiotra mifanaraka amin’ ny toe-tany eto Madagasikara ny tetikasa. Ho an’ ny fiompina kosa dia hiompana kokoa amin’ ny fanatsarana ny taranaka, sy ny fanatsarana ny  sakafombiby ary ny fahasalaman‘ ny biby ny asa hatao. Ary ho an’ ny fampivoarana ny agribusiness kosa dia fanantsarana ireo rohimpihariana, ny fitantanana ao amin’ ireny vondron ny tantsaha no tanjon’ ny tetikasa.

 Haharitra roa taona izany tetikasa izany  ary mitentina. 1 430 055 USD. Faritra mpamokatra efatra no hiasan’ ny tetikasa dia ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Boeny ary Diana.

Coopération Sud-Sud avec FAO et Chine : 9 techniciens chinois à Madagascar.

Le projet d’assistance technique à la mise en œuvre du Programme Sectoriel Agriculture, Elevage, Pêche (PSAEP)  a été lancé officiellement le vendredi 04 octobre 2019. Le projet se concentre sur trois domaines du développement agro- économique Malagasy : la riziculture, l’élevage (caprin /ovin) et l’ agri business.

Le projet mis en œuvre dans le cadre de la coopération Sud-Sud avec la FAO et la Chine est prévu pour une durée de 2 ans et s’ élève à 1 430 055 USD. La Chine apportera son expertise à travers des techniciens  chinois qui œuvreront directement sur le terrain, en partenariat avec les techniciens du MAEP. Le projet a pour objectif de contribuer à la sécurité alimentaire nationale d’accroitre la productivité et la rentabilité agricole. Il contribue également à la réalisation de l’autosuffisance en riz

En termes de riziculture, il s’agira de l’introduction aux technologies hybrides, à l’appui à l’amélioration des techniques culturales et la promotion de production locale de semences de riz hybride. Pour ce qui concerne l’élevage de chèvres, moutons, poulets et bovins, les interventions se focaliseront sur l’amélioration des races, l’alimentation et la santé animale. Enfin pour la promotion de l’agri business, il s’agira surtout d’améliorer les chaînes de valeurs agricoles, les systèmes commerciaux, les stratégies de gestion, les technologies post-récoltes, la bonne gouvernance au sein des organisations de producteurs Agricoles, l’entrepreneuriat, les études de marché et les investissements.

Le projet va intervenir dans les régions productrices de l’Ile : la région Alaotra Mangoro, Analamanga, Boeny et la région Diana. Pendant les deux années du projet au total 17 coopérants techniciens chinois seront déployés sur terrain.

Retour

Comments are closed.