Fampahafantara ny tetiandrom-pamokarana ao anatin’ny tolotra hotline 321

Ny volana jolay 2019 no efa voarafitra sy nanomboka azo jerena tao amin’ny tolotra hotline 321 n’ny airtel ny tetiandrom-pamokarana momba ny seha-pihariana katsaka, vary, sakamalao ary voanjo; izay fiaraha-miasan’ny DGM sy ny MAEP, niarahanana niombon’antoka tamin’ny Viamo. Tohin’izany fananganana ny tetiandrom-pamokarana izany, dia maro ny asa hatao na eo amin’ny sehatra nasionaly izany na rezionaly mba hisian’ny serasera kokoa.

Ao anatin’izany indrindra no antony nanatanterahana ny atrikasa fampahafantarana sy fampiofanana ireo mpisehatra nasionaly momba ny tetiandrom-pamokarana, izay natao tao amin’ny DGM Ampandrianomby ny 22 oktobra 2019.

Tanjona tamin’ny fanatanterahana ny atrikasa moa arak’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fizotry ny torohay eo anivon’ny DGM sy momba ny fahazoana ireo torohay mahakasika ny “agro météorologique et climatique”, ary indrindra ny fanentanana ho amin’ny fampiasan ny tetiandrom-pamokarana amin’ny alalan’ny tolotra hotline 321.

Ny tetiandrom-pamokarana moa dia natao mba hanampiana ireo mpamboly amin’ny fahafantarana ny vinavina mety ho toetry ny andro amin’ny taom-pambolena ho avy 2019-2020, izay manomboka ny volana oktobra ka hatramin’ny aprily; ahafantarana ihany koa ny fitsinjaran’ny orana isam-bolana ka ahafahany mijery ny fotoana hamboleny sy ny voly tokony hataony. Ny tolotra hotline 321 kosa dia fiataovana iray ahafahana mampita aingana kokoa ny antontam-baovao momb any tetiandrom-pambolena eny anivon’ny tantsaha.

Depuis juillet 2019, des calendriers culturaux de la filière mais, riz, gingembre, arachide sont élaborés et disponible sur la hotline 321 de airtel, avec l’étroite collaboration de la DGM (Direction Général de la Météorologie) et du MAEP (Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche), et en partenariat avec viamo. Suite à l’élaboration de ces calendriers culturaux, plusieurs activités vont être mises en œuvre tant au niveau national que régional pour leur communication effective.
C’est dans ce cadre qu’un atelier de formation et de sensibilisation des acteurs nationaux, sur les calendriers culturaux a eu lieu le mardi 22 octobre 2019 au sein de la DGM Ampandrianomby.
La formation avait donc pour objectif, d’une part, de renforcer la capacité sur la logique de circuit d’information de la DGM et sur l’interprétation des informations agro météorologiques et climatique, et d’autre part, de sensibiliser sur l’utilisation des calendriers culturaux sur le service hotline 321.


Les calendriers culturaux sont être conçus pour appuyer les agriculteurs dans le choix des cultures et des périodes de semis en respectant les caractéristiques agro-écologiques. Ainsi, ils permettent de savoir les prévisions météorologiques pour la prochaine culture 2019-2020. Et l’hotline 321 permet de transmettre, d’une manière simple et rapide, les informations sur les calendriers culturaux au niveau des paysans.

Retour

Comments are closed.