Hatsangana ny drafi-pandrafetana ny Velaran-dranomasina eto Madagascar

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fandrindrana sy fitantanana ny velaran-dranomasina eto Madagasikara ny fananganana ny PSM na ny drafi-pandrafetana ny Velaran-dranomasina. Fitaovana sy fomba iray entina mampiroborobo ny harinkarena manga ary indrindra ahafahana mitantana araka ny tokony ho izy ny fari-dranomasina ampiasain’ny mpanjono madinika sy ny mpanjono vaventy izany. Anisan’ny dingana fanalahidy ahafahana manatanteraka izany ny fananganana ny kisary mandrafitra ny zava-misy amin’ny faritra iray izay mampiasa ny ranomasina ary azo an-tsary sy voatahiry anatin’izany kisary izany avokoa ireo mety ho asa rehetra mifandraika amin’ny ranomasina.

Araka izany, dia niroso tamin’ny famolavolana sy fandrindrana ny fanamboarana ny kisarisary izay mampiseho ny mombamomba ny fampiasana ny ranomasina sy ny asa mifandraika aminy ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, sy ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, ministera tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Dingana iray amin’ny fanatanterahana ny PMS izy ity.

Nisy noho izany ny fivoriana izay nokarakarain’ireo ministera roa tonta mba hankatoavana ny kisarisary mirakitra ny asa rehetra mifandraika amin’ny ranomasina ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, faritra voafidy nanombohana ny tetikasa, ny zoma 11 oktobra 2019 tao Anosy MAHTP. Nisy ny soson-kevitra sy toro_hevitra voaray avy amin’ireo teknisianina sy tompon’andraikitra maro misehatra amin’ny fampiasana ranomasina, izay mpandray anjara tamin’ny fivoriana, mba ahafahana manatsara sy manitsy ny kisary ary indrindra hanohizana ny fizotry ny fandrafetana azy any amin’ireo faritra hafa.

Développement de l’économie bleue : bientôt un PSM pour Madagascar

La Planification Spatiale Maritime (PSM) est l’outil principal pour pouvoir, coordonner et gérer l’espace maritime d’un pays. Elle permet de gérer l’utilisation de l’espace,  de protéger les ressources maritimes et le développement de l’économie bleue. La conception et l’élaboration de l’atlas maritime qui est un recueil de cartes géographiques relatives aux océans, aux mers et aux zones côtières, est une étape clé pour la réalisation de la PSM.

Dans sa quête de gestion durable des ressources halieutiques, de préservation de l’écosystème marin, Madagascar conçoit aujourd’hui  sa PSM et son atlas maritime. La région Atsimo-Andrefana a été choisie comme région pilote pour l’élaboration de cet atlas. La réalisation des travaux a été confiée au bureau d’étude X2Z.

C’est dans ce contexte qu’une réunion de restitution a été organisée par le MAEP et le MAHTP à Anosy le 11 octobre 2019. Cette réunion avait pour objectif de présenter à tous les acteurs du secteur, l’atlas de la région Atsimo-Andrefana, de valider les thématiques et la charte graphique et d’émettre les suggestions et recommandations pour la réalisation des atlas des autres régions.

Retour

Comments are closed.