TSENABE ANKOLAGNY andiany faha-7

«Velontegna,tegna ivisohagna »io ny teny filamatra nandritra ny tsenabe Ankolagny andiany fahafito izay notanterahina tany Port-Bergé faritra SOFIA ny 20-21-22 septambra 2019.Ny fandaharanasa  « FANOITRA » na « PROSPERER » niaraka tamin’ny Antenimiera ny varotra sy ny Indostria no nikarakara  ity.Tanjona ny fampifandraisana ireo mpandraharaha ara-barotra sy ireo vondron’ny tantsaha ary ny fampitomboana ny harin-karenan’ ny mpamokatra.

Mahatratra 50ha ny lemaka izay nambolena katsaka ao Anadrano ankehitriny ary 50ha ao Ampombibitika izay ahazoana vokatra 1,5 T/ha. Afa-po ireo tantsaha satria tafakatra 970 Ariaryny iray kilao amin’ ny katsaka raha 500 Ar izany teo aloha nandritra ny tsenam-bokatra Ankolagny.

Ankoatra ny black eyes sy ny katsaka izay mampalaza ny faritry SOFIA dia ahitana valatahaka fiompiana tantely ihany koa ao Marosely. Ahitana rogo na tranon-tantely miisa 20 ity toerana ity ka ahazoana mamy tantely 10litatra ny rogo iray ary erintaona dia afaka mahazo vokatra.Miisa 10 ireo mpiofana izay nahazo fiofanana amin’ity fiompiana tantely ity ary izy ireo indray no hampita fahaizana ho an’ireo mpamokatra. Izany no natao dia ny mba ialana amin’ny fiompiana nentim-paharazana  mankany amin’ny manaram-penitra ka ho tratra ny fenitra amin’ny hatsarana sy ny habetsahana ka ho tonga matihanina ireo mpamokatra.

Miantso ireo mpandraharaha araka izany ny Antenimieran’ ny varotra sy ny Indostria any SOFIA hampiasa vola satria betsaka ny vokatra azo trandrahana amin’iny faritra iny

FOIRE ANKOLAGNY 7ème EDITION

Le Programme « PROSPERER » et la Chambre de Commerce et de l’Industrie de la région SOFIA ont organisé la 7ème foire économique « Ankolagny » du 20-21 et 22 septembre 2019 à la place de l’Indépendance Port-Bergé sous le slogan « Velontegna, tegna Ivisohagna ». L’objectif est de promouvoir l’agribusiness par le biais du B2B entre les organisations paysannes et les opérateurs de marchés afin d’augmenter le PIB et le niveau de vie des producteurs.

 La filière maïs est en pleine expansion dans la Région de Sofia. D’un côté, il y a la hausse du prix de 500Ar le kilo  à 970Ar, et de l’autre côté, l’augmentation des surfaces cultivées qui atteignent les 50 ha dans le champ d’irrigation d’Anadrano et 50 ha à Ampombibitika avec un rendement de 1,5 t/ha.

A part les black eyes et les maïs, la Région possède aussi  un centre de démonstration d’apiculture de 20 ruches à Marosely. Ce centre de formations de formateurs a pour but de promouvoir la production de miel de qualité dans la région tout en professionnalisant les producteurs de la filière.

La Chambre de commerce et d’industrie de la Région incite les entrepreneurs à s’y investir car la région regorge de potentialités et de nombreux produits y sont disponibles.

Retour

Comments are closed.