Ambalavao : mpamokatra tantanam-pianakaviana miisa 800 mahery no nomena hana-pamokarana sy fitaovana

Azo atao tsara ny mampiakatra ny voka-bary amin’ny alàlan’ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknika ireo mpamboly eny amin’ny saha-sekoly (Champs école). Koa ho fanomanana ny taom-pambolena manaraka dia tonga nanolotra Zezika NPK 68 taonina sy guano 6 taonina ary koa kibota ho an’ireo mpamokatra tantanam-pianakaviana miisa 800 mahery ny Filoham-pirenena, teto amin’ny distrikan’Ambalavao anio 28 septambra 2019.

Izy ireo dia miasa eny amin’ny saha-sekoly miisa 28, izay tohanan’ny Ministeran’ny Fambolena Fiompiana ary Jono amin’ny alàlan’ny fandaharan’asa Defis sy ny Fonds de Développement Agricole (FDA).

Tanjona ny fambolena misandrahaka, mivoatra ary manaraka ny fenitra, antoka goavana hahatonga ny Malagasy hahavita tena ara-tsakafo.

Raha 1,5 taonina/ha fotsiny ny voka-bary azo tamin’ny fambolena tsy manaraka teknika dia ho tafakatra 5 taonina/ha izany rehefa mahazo zezika, masomboly nohatsaraina, ka mampiasa kibota.

Nampanantena ny Filoham-pirenena fa hanolotra kibota 100 ho an’ireto EAF eto Ambalavao ireto. Ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono kosa dia nilaza fa 1 250 ha no lemaka madinidinika sy salantsalany izay hohatsaraina hahatratrarana ny Velirano fizakan-tena ara-bary eto amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Marihina fa nahatsangana Grenier communautaire Villageois mahazaka 100 taonina ihany koa ny Ministera tao amin’ny kaominina Anjoma.

Ambalavao : plus de 800 exploitants agricoles familiaux dotés d’intrants et de matériaux

En préparation de la grande campagne rizicole 2019-2010, le Président de la République, Andry Rajoelina est venu remettre 68 tonnes d’engrais NPK, 6 tonnes d’engrais Guano et un motoculteur aux 800 exploitants agricoles familiaux (EAF), travaillant dans 28 champs écoles paysans.

Ces derniers, multiplicateurs de semences et organisations paysannes de base, sont appuyés par le Ministère en charge de l’Agriculture à travers le Programme Défis et le Fonds de Développement Agricole (FDA). La dotation a été faite devant le siège du district d’Ambalavao ce 28 septembre2019. L’objectif étant d’augmenter le rendement d’1,5 à au moins 5 tonnes/ha. Le Président de la République a promis de doter 100 motoculteurs additionnels à ces 800 EAF. Le Ministre en charge de l’Agriculture a pour sa part mentionné lors de son discours que 1 250 ha de périmètres irrigués sont en voie de réhabilitation dans la région Haute Matsiatra. Un Grenier communautaire Villageois d’une capacité de 100 Tonnes a par ailleurs été construit par le Ministère dans la commune d’Anjoma, du district d’Ambalavao.

Retour

Comments are closed.