Agribusiness: isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny MAEP

Ho fiatrehana sy fitodihana amin’ny tsena anatiny sy ivelany, izay laharam-pahamehan’ny MAEP ankehitriny, dia ilaina ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamokarana na ny «agribusiness» eto Madagasikara.

Araka izany, dia nanatanteraka atrikasa mandritry ny 4 andro tao amin’ny Carlton Anosy ny MAEP, ho famolavolana ny paikady Nationaly mahakasika an’izay fandraharahana ara-pamokarana izay, ny 26 sy 27 septambra ary ny 30 sy 01 aogositra 2019. Hetsika entina ho fanangonan-kevitra amin’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny fampiroboroboana ny famokarana toy ny sehatra tsy miankina, ny solontenan’ny mpamokatra, ny teknisianin’ny Ministera, ireo mpanamahay avy any ivelany sy avy eto an-toerana, sns,  ity atrikasa ity ary fiaraha-miasa tamin’ny  GIZ / PRADA.

Zava-dehibe ny fametrahana ny paikadim-pampandrosoana sy ny fampivoarana ny fandraharahana ara-pamokarana mba ahafahana manamora ny fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina, izay miantoka ny fampiasam-bola eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eny ambanivohitra.

Marihina fa fanamby mba hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-bary ny fametrahana an’ity « paikady nationaly mahakasika ny fandraharahana ara-pamokarana » ity, ho fanatanterahana ny velirao fahasivy. Ankehitriny ihany koa I Madagasikara dia tsy maintsy miatrika tsena, ary tsy afaka miatrika tsena anefa raha tsy miditra amin’ny atao hoe agribusiness. Ao anatin’ny roa volana moa no fotoana hananganana ity paikady ity.  

Interview DAAB: https://youtu.be/qrs-vyZfgqo

Agribusiness: une  priorité pour le MAEP

Afin de faire face aux marchés nationaux et internationaux, il est nécessaire de promouvoir l’agribusiness à Madagascar. Aujourd’hui le MAEP est en train de concevoir une stratégie nationale de la promotion de l’agribusiness. C’est dans ce contexte qu’un atelier de concertation a été organisé du 26 au 30 septembre  2019. Cet atelier a pour objectif de  collecter les informations et les données auprès des acteurs directs et indirects dans le processus de production agricole, du  secteur privé, des représentants de producteurs et des techniciens du MAEP  en partenariat avec le GIZ/ PRADA.

L’élaboration de cette stratégie de développement et la promotion de l’agribusiness sont très importants afin de faciliter et de renforcer la coopération entre les institutions  et les secteurs privés, ce qui garantit les investissements dans l’entrepreneuriat rural.

Notons que la mise en œuvre de cette «stratégie nationale de promotion de l’agribusiness » est un moyen pour atteindre  l’autosuffisance alimentaire. L’Elaboration de cette stratégie nécessitera deux mois.

Retour

Comments are closed.