Fampiroboroboana ny fitrandrahana maharitra ny harena andranomasina

Mpanjono madinika  maro mivelona amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara  no hahita tombontsoa indray vokatry ny fifanaovan-tsonia Tetikasa vaovao  teo anivon’ ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, sy ny firenena Japana  ary ny FAO Vondron’ny Firenena mikambana misahana ny Famokarana sy ny Sakafo.   Fifanaovan-tsonia natao ny marainan’ny talata 17 Septambra 2019   tao amin’ny Efitrano PPI Anosy Antananarivo.

Fanamby lehibe hoan’ ny MAEP ny fitrandrahana maharitra sy tompon’ andraikitra ny harena andranomasina. Zava-dehibe noho izany ny fanatsarana ny fitantanana ny jono, ny fampitomboana ireo asa fiveloman’ ireo mpanjono madinika andranomasina ary indrindra ny fiarovana ny sisin-dranomasin’ i Madagasikara izay mirefy 5000 km.

Ny Japon kosa dia nanamafy hatrany ny fahavononany ho an’ ny fampiroboroboana ny « Economie Bleue » koa  natao  tany Japana nandritra ny TICAD 7 ny fanaovantsonia ny fifanekem-piaraha-miasa  vaovao mahakasika ity tetikasa ity ho an’ireo Nosy 4 aty amin’ny ranomasimbe Indiana sy ny firenena Kenianina.

Mifanojo tanteraka noho izany amin’ ny vina sy tanjon’ ny MAEP ny tetikasa GCP /RAF/520/JPN. Tetikasa  natao indrindra hanamafisana ireo fomba  fivelomana sy ny fiahiana ara-tsakafo ary ny fiahiana ny ranomasina amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fomba hiatrehan’ireo vondron’ny mpanjono izay mifototra amin’ny jono amin’ny haran-dranomasina ireo olana samihafa toy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny haran-dranomasina. Haharitra 3 taona ny tetikasa izay mitentina 4 400 000 USD avy amin’ ny firenena Japana izay hifampizaran’ireo firenena 5.

Renforcer la résilience des communautés de pêcheurs tributaires de la pêche en récif corallien

Le Gouvernement Malagasy et le Gouvernement du Japon en partenariat avec   la FAO se sont convenus    à travers la signature officielle du  Projet : GCP /RAF/520/JPN  à améliorer les moyens de subsistance, la sécurité alimentaire et la sécurité maritime grâce au renforcement de la résilience des communautés de pêcheurs tributaires de la pêche en récif corallien dans la partie africaine de l’océan Indien à savoir Kenya,  Madagascar,  Comores, Maurice et  Seychelles

Aujourd’hui  Madagascar à travers le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche  promeut une exploitation et une valorisation durable des ressources halieutiques et aquaculture. L’un des grands défis consiste à trouver voire dicter le juste équilibre entre pêche économique et pêche responsable, de manière à intégrer adéquatement le rôle de l’humain dans son environnement. Aussi, il est primordial d’améliorer la gouvernance de la pêche, la diversification des activités génératrices de revenus pour les pêcheurs vivant des récifs coralliens et surtout de protéger les 5000 km de littoral du pays.

Le Japon pour sa part  a affirmé sa détermination à contribuer à la promotion de l’économie bleue avec l’Afrique. En effet, en marge de la TICAD 7 a eu lieu la signature du nouvel accord concernant le projet visant la résilience des communautés de pêcheurs dans les récifs coralliens au Kenya, à Madagascar, aux Comores, à Maurice et aux Seychelles. Ce  Projet  répond parfaitement aux différentes convictions de l’Etat Malagasy et  s’accorde ainsi avec les objectifs et la vision du MAEP.

Le projet est prévu pour trois (03) ans, pour un montant de 4 400 000 USD alloués par le gouvernement Japonais au cinq pays.

Comments are closed.