FIA 2019 : fampiroboroboana ny « Agribusiness » sy ny « Agrobusiness »

Tanterahina mandritra ny efatra andro eny amin’ ny toerana fanaovana fampirantiana eny amin’ny Zone Forrello Tanjombato ny andiany fahatelo amin’ny foara iraisam-pirenena momba ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Miompana tanteraka amin’ireo tanjona napetraky ny Filohan’ ny Repoblikan’iMadagasikara, Andry RAJOELINA amin’ ny alalan’ny velirano faha 9 mikasika ny fahavitantena ara-tsakafo ity foara iraisam-pirenena ity .Mitondra ny lohahevitra hoe « vers l’autosuffisance alimentaire et l’émergence d’un secteur agricole moderne » ny foara.

Fotoana iray ahafahan’ ny MAEP maneho ireo politika sy paikady hanatrarana ireo tanjona sy vina napetraka ny fikarakarana ny hetsika toy izao. Nambaran’ Atoa RANARIVELO Lucien Ministry ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono nandrintra ny kabary fanokafana fa azo tanterahina tsara ireo vina sytanjona ireo ary efa mizotra mankany amin’ny fanantanterahana izany ny MAEP ankehitriny.

Nanambara ihany koa Atoa Ministra fa ilaina ny fandraisana anjara feno ny sehatra tsy miankina. Tokony ampifandraisina ireo mpisehatra eo amin’ ny « agribusiness » sy « agrobusiness » sy ireo mpamokatra madinika ary tokony hisy ny lalambarotra eny amin’ ireny toerana sy faritra mamokatra ireny. Manoloana izany dia namolavola paikady entina hanantanteraka izany ny MAEP izay hovelabelarina mandritra ny loa-bary an-dasy.

Araka ny lohahevitr’ ity andiany fahatelo ity, ny FIA dia mivoy ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny agribusiness sy ny agribusiness. Maneho izany ireo trano eva 16 ny MAEP izay tazomin’ireo faritra 22  izay ahitana ireo lalampihariana 16 loha-laharana izay efa ahitana fandraharana  matotra eo amin’ny mpamokatra sy ny sehatra tsy miankina.Tanjona amin’ izany ny famporisihana ny sehatra tsy miankina hirotsaka bebe kokoa amin’ny tontolon’ny famokarana sy hampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.


FIA : 4 jours pour promouvoir l’Agribusiness et l’Agrobusiness.

La zone d’exposition ForelloTanjombato accueille du 12 au 15 Septembre 2019 la troisième édition de la Foire Internationale de l’Agriculture FIA. Cette troisième édition  placée sous le thème  «  vers l’autosuffisance alimentaire et l’émergence d’un secteur agricole moderne »est orientée vers les défis fixés par les engagements du Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA notamment l’engagement n°9 qui a pour objectif l’autosuffisance alimentaire.

L’organisation de cet évènement d’envergure est une occasion pour le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche de mettre en évidence la politique mise en œuvre pour atteindre ses objectifs de développement. Selon le Ministre du MAEP RANARIVELO Lucien, ce défi est réalisable et le MAEP marche déjà dans cette direction. Il a insisté sur le fait que l’atteinte de ces objectifs nécessite aussi une forte implication du secteur privé. Nous devons intégrer l’agriculture familiale à l’agribusiness et l’agrobusiness tout développant les marchés au sein des zones d’émergences à fortes potentialités, a-t-il déclaré. A ce titre, le MAEP avance aujourd’hui comme stratégie d’intervention, l’instauration d’une nouvelle forme d’Agriculture contractuelle gagnant-gagnant entre les organisations de producteurs et les secteurs privés, qui sera présentée et exposée à travers des conférences débats.

En effet comme le thème l’indique, la FIA se veut être une plateforme de rencontre et d’échange entre les producteurs et les opérateurs de l’agribusiness et de l’agrobusiness. A travers les 16 stands tenus par les directions régionales des 22 régions, le MAEP expose les opportunités d’affaires sur les 16 filières porteuses auxquelles des contrats gagnant-gagnant existent déjà. L’objectif est d’inciter les secteurs privés à investir dans le domaine Agricole et de promouvoir ainsi l’émergence de l’industrie.

Retour

Comments are closed.