Fandaharanasa Fihariana: nanolotra omby vavy beronono hoan’ ny mpikambana ao amin’ny Sandratra

“Nanome toky anareo tantsaha aho fa hanatsara ny faripiainanareo sy hanao izay hampitomboana ny vokatrareo. Napetraka ny fandaharanasa FIHARIANA entina hanatratrarana izany tanjona izany.” Izany no tenin’Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA, Filohan’ ny Repoblikan’ i Madagasikara, nandritry ny fanolorana ny tohana avy amin’ny fandaharanasa FIHARIANA ho an’ ireo mpikambana ao amin’ ny Fikambanana Sandratra, ao amin’ny faritra Vakinankaratra, ny 13 Aogositra 2019 tao Andranomanelatra .

Miisa 30 ny mpikambana ao amin’ ny SANDRATRA ary mpiompy sy pamokatra ronono avokoa. Ho fanatsarana ny kalitao sy ny faharetan’ ny asa ataon’ izy ireo dia nanao fangatahana tamin’ ny fandaharanasa FIAHARIANA sy ny tetikasa CASEF izay eo ambany fiahian’ny  Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono ny mpikambana. Nisy  nahazo omby vavy berono Pie rouge avy amin’ ny fandaharanasa FIhariana ny mpikambana  ary omby lahy Pie rouge iray avy amin’ny MAEP/CASEF koa  izy ireo. Marihana fa ny fikambanana dia mpamatsy ronono ny orinasa Socolait.

Nandritry nyb fihaonana tamin’ireo mpikambana no nanambaran’Andriamatoa Filoha fa ny fizohiana ara-pahasalamana sy ny fitsaboana ireo omby dia maimaim-poana ka hataon’ny Vétérinaire sanitaire avy amin’ny MAEP. Namafisin’Andriamatoa Filoha fa misokatra hatrany ny fandaharanasa FIHARIANA ho an’ireo tanora izay manana faniriana hanangana na hanitatra ny orin’asany ka hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.

——————————————————————————————————————–

Programme Fihariana : dotation de vache laitière pour les membres de l’Association Sandratra.

« Je me suis engagé à aider les exploitants agricoles Malagasy  afin qu’ils puissent augmenter leur productivité et améliorer ainsi leurs revenus. » Le programme « FIHARIANA » a été mis en place pour pouvoir atteindre ses objectifs et aujourd’hui vos projets vont se réaliser grâce au programme ». Tels ont été les mots du Président de la République, Andry Nirina RAJOELINA,  durant la remise des appuis financiers et matériels aux membres de l’Association Sandratra qui ont bénéficié de l’appui du programme FIHARIANA  dans la Région du Vakinankaratra qui s’est déroulée à Andranomanelatra le 13 Août 2019.

L’association Sandratra est composée de 30  membres qui sont tous des éleveurs et producteurs laitiers. Soucieux d’améliorer la qualité des produits et d’assurer la pérennité  de leurs activités, les membres ont sollicité à la fois l’appui du programme présidentiel  FIHARIANA et celui du projet CASEF du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (MAEP). Certains des membres ont obtenus de  la part du Programme FIHARIANA des vaches laitières de race Pie rouge de Norvège et un taureau reproducteur de race pie rouge également de la part du projet CASEF du MAEP. Notons que les membres de l’association sont tous des fournisseurs en lait de la Société SOCOLAIT.

Durant la rencontre avec les membres de l’Association, le Président de la République a déclaré que le suivi de la santé des animaux ainsi que les soins y afférents seront gratuits et assurés par un vétérinaire sanitaire du MAEP. Il a également ajouté que ceux qui désirent se lancer dans l’entreprenariat et bénéficier du programme Fihariana dans la région Vakinakaratra peuvent toujours s’inscrire et déposer leurs dossiers.

Retour

Comments are closed.