Fifanaraham-piaraha-miasa: 800 000dolara no tohana entin’ny fandaharanasa DEFIS hampiroboroboana ny famokarana amin’ny alalan’ny vondrona mpamokatra

Tanimbary sy tanimboly 9000ha ao Amoron’I Mania, Haute Matsiatra ary Ihorombe no ho ampiroboroboin’ny DEFIS.


Mandray anjara feno amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha 9n’ ny filoham-pirenena ny MAEP amin’ny alalan’ny fandaharan’asa DEFIS, dia ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fanohanana ny tantsaha izany. Izany indrindra no antony nanatanterahana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’izany fandaharanasa izany sy ireo vondrona mpamokatra miisa 10 ny 09 Aogositra 2019, tao Nanisana.
Velaran-tanim-bary 7000ha sy tanimboly katsaka 2000ha no hiasan’ny fandaharan’asa ao amin’ny faritra Amoron’I Mania, Haute Matsiatra ary Ihorombe. Ahafahana manatanteraka izany dia saha sekoly vary miisa 160 sy saha sekoly katsaka miisa 80 no hapetraka, arahana fanohanana ara-pitaovana toy angadinomby, ny masomboly, zezika, fiavana. Mahatratra 300t ny zezika ho entina, 30t ny masomboly vary ary 33t ny masomboly katsaka. Vinaina ho 4,5t hatramin’ny 6t/ha ny famokaram-bary raha toa ka 3t izany teo aloha, ary hihoatra ny 2t/ha kosa ho an’ny katsaka. Ny vary sy ny katsaka moa no laharam-pahamehana ho an’ny MAEP fa maro ireo lalam-pihariana tohanany.
Hampiatra ny fahaizana azony nadritra ny fihofanana tao amin’ny seha sekoly ireo tantsaha ary hampita izany amin’ireo tantsaha hafa mba hampitombo ny vokatra manerana ny faritra.

Tantsaha 5000 ao anaty vondron’ny tantsaha 10 no ho lasa matianina
Vondron’ny tantsaha rezionaly 10 no miandraikitra ny fantratrarana ny tanjona. Anjaran’izy ireo no mitantana ny vola, mifidy ny tany atao saha sekoly sy ny tantsaha atao fitaratra, ary ny fampianarana ny teknika ho an’ireo tantsaha miisa 5000. Izany dia entina manamafy ny fahaiza-manaon’ireto vondron’ny tantsaha ireto, izay efa manana ny teknisianina hanampy azy, manamora ny fampitana ny teknika eo amin’ny samy tantsaha ary indrindra hampaharitra ny tosika rehefa hiala ny DEFIS.Tsy hiankin-doha intsony ny vondron’ny tantsaha fa ho matianina amin’izay.

Tantsaha mpandraharaha
Azo antoka ankehitriny fa ho lasa matianina ireo tantsaha tohan’ny fandaharanasa DEFIS. Ho tsara sady no ampy ny vokatra ka hitodika any amin’ny tsena ireo tantsaha. Hampianarina ireto tantsaha ireto ihany koa moa ny fandraharahana ara-pamokarana na ny “agribusiness”. Ireo tantsaha ireo ihany moa no hamokatra masomboly ilainy amin’ny taom-pambolena manaraka ka tsy hividy masomboly intsony izy ireo fa hahaleo tena tanteraka. Tantsaha 315 no ho lasa mpamokatra masomboly amin’ireo lemaka ireo.
800 000dolara moa no fitambaran’ny tohana entin’ny fandaharan’asa amin’izany.


Interview CN DEFIS: https://youtu.be/B5qi0mhKgZA


9000ha de rizières et de champs de maïs mises en valeur par le programme DEFIS dans la région Amoron’i Mania, Haute Matsiatra et Ihorombe.


Le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche par le biais du programme DEFIS contribue à l’accomplissement de la vision n°9 du président de la république de Madagascar. Pour ce faire, une signature de convention entre le DEFIS et 10 Organisations Paysannes a eu lieu à Nanisana le 09 aout 2019. Le programme soutiendra les producteurs par la valorisation de 7000ha de rizières et 2000ha de champs de maïs dans la région Amoron’I Mania, Haute Matsiatra et Ihorombe. Pour cela, 160 champs écoles Paysans pour le riz et 80 champs écoles pour le maïs vont mettre en place, accompagné d’une dotation des matériels agricoles comme la charrue, la semence, l’engrais, la sarcleuse, le herse. Ainsi, 300t d’engrais, 30t de semence riz et 33t de semence maïs seront distribués.
Le rendement sera estimé à 2t/ha pour le maïs et 4,5t/ha- 6t/ha pour le riz si cela était de 3t/ha auparavant. La filière riz et maïs sont les priorités pour le MAEP mais le programme appui d’autres filières.

5000 paysans membres dans 10 Organisations Paysannes plus professionnels
10 organisations Paysannes seront chargés du fonctionnement de toutes les activités afin d’atteindre les objectifs. Ce sont eux qui sont responsables de la gestion des finances, du choix du terrain pour le CEP et les paysans modèles, de l’application de l’itinéraire, et l’appui technique de ces 5000paysans. Cela est fait pour renforcer les capacités de ces OPR qui ont déjà des techniciens en son sein, de faciliter le transfert de compétence technique aux agriculteurs et enfin de maintenir les appuis après le retrait du DEFIS.

Paysans entrepreneurs
Avec cette approche apportée par le DEFIS, les paysans assureront une production de qualité et de qualité qui leur permettra de se tourner vers le marché et l’exportation. Il convient de noter qu’une formation sur la gestion financière, l’étude de prix, les prêts/ épargne, le marketing et la notion de l’agribusiness seront dispensés auprès de ces paysans dans le CEP. Ils deviendront donc de plus en plus des entrepreneurs. Les paysans eux-mêmes, d’ailleurs, vont produire leurs propres semences pour l’année précédente et ils devront être entièrement indépendants. 315 paysans vont devenir producteurs de semences dans ces périmètres.
Le montant apporté par le DEFIS pour la réalisation de ces activités est d’environ                800 000dollars.

Source: Communication MAEP

Date: 09/ 09/ 2019

Retour

Comments are closed.