Drafitr’asam-pirenena ho entina miady amin’ ny Tohitra Ody Ainabitika

Nomarihana tamin’ ny fomba ofisialy ny 08 aogositra 2019 ny fanombohana ny ady amin’ ny Tohitra Ody Ainabitika. Tonga nanotrona ny lanonana fanokafana ireo tompon-andraikitra lehibe ao amin’ ny Ministeran’ ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ ny fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono ary ny Ministeran’ ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra.

Loza mitatao hoan’ ny fahasalamam-bahoaka eran-tany ary ahiana hahakasika ny isam-batan’ olona ny Tohitra Ody Ainabitika sy hanohintohina ny fanatrarana ny tanjom-pampandrosoana maharitra. Anisan’ ny tranga manahirana tokony hakana fanapahan-kevitra haingana noho izany ny Tohitra Ody Ainabitika.

Noho izany, nirotsaka amin’ ny ady atao amin’ ny  Tohitra Ody Ainabitika ny Firenena Malagasy tamin’ ny alàlan’ ny fanaovan-tsonia ny fanambarana politika eran-tany hanoherana izany, nandritra ny fivoriambe iraisan’ ny Firenena Mikambana ny volana septambra 2016. Tohin’ izay fandraisana andraikitra izay dia nisy ny famolavolana ny drafitr’asam-pirenena ho entina miady amin’ ny Tohitra Ody Ainabitika manaraka ny ronan-kevitra « One Health » nataon’ ny Komity Mpanolotsaina Marosehatra momba ny fanoherana ainabitika avy ao amin’ ny Ministera telo : Ministeran’ ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ ny fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono ary ny Ministeran’ ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra. Nankatoavina ho anisan’ ny fandaharan’ asan’ ny governemanta malagasy izany ary kasaina hatao manomboka amin’ ity taona ity ka atramin’ ny taona 2023 ny fanantanterahina azy.

Manana anjara andraikitra lehibe amin’ izany ady izany ny MAEP amin’ ny alalan’ ny DPV (Direction de la Protection des végétaux) sy ny DSV (Direction des services Vétérinaires). Misy izany ny fanaraha-maso tokony atao eo amin’ ny fivarotana sy fanapariahana ny fanafody hoan’ ny biby. Andraikitrin’ ny MAEP ihany koa ny manao fitsirihana ireo singa Ody Ainabitika  izay ho ampiasaina amin’ ny biby ary indrindra manamafy ny traikefan’ ireo teknisianina.

Nandritra ny lanonam-panokafana dia nampiseho an’ ireo mpandray anjara sy mpisehatra ny hevi-dehibe tsara ho fantatra mahakasika ny drafitr’asam-pirenena handresena ny Tohitra Ody Ainabitika.Tamin’ izany ihany koa no nanehoan’ ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny fahavononany sy ny fanohanany ny drafitr’asam-pirenena handresena ny Tohitra Ody Ainabitika io.

—————————————————————————————————————-

Plan d’Action National Multisectoriel pour lutter contre la Résistance aux antimicrobiens.

« Pas d’action aujourd’hui pas de guérison demain » La lutte contre la Résistance aux AntiMicrobiens(RAM) a été lancé officiellement le jeudi 08 aout 2019. A cette occasion une cérémonie réunissant les grands responsables du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche, du Ministère de la Santé Public et du Ministère de l’Environnement et du Développement durable a été organisée à l’Hôtel Carlton Anosy.

La résistance aux Antimicrobiens est une menace pour la santé publique dans le monde et peut toucher chaque individu quel que soit son âge. Elle compromet l’atteinte des objectifs du développement durable. 700 000 individus dans le monde  meurent à cause de la résistance aux antimicrobiens, la production animale connait également une baisse de 2.6 %. Elle engendre six mille milliards de pertes par an pour l’économie mondiale.

Conscient du danger qu’elle représente Madagascar s’est engagé dans la lutte contre la Résistance Antimicrobienne par la signature de la déclaration politique sur la résistance à l’agent antimicrobien lors de l’Assemblée Générale des Nations Unies en 2016. Suite à cet engagement un Plan d’Action National Multisectoriel  contre la RAM (PAN-RAM))  a été élaboré par un Comité Multisectoriel de Coordination de la Lutte contre la résistance aux antimicrobiens. (CMC-RAM), suivant le concept « One Health » impliquant  le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche, le Ministère de la Santé Public et le Ministère de l’Environnement et du Développement durable. Le plan a été validé et adopté en tant que programme gouvernemental en avril 2019 et va être  mis en œuvre durant cinq ans. Il définit les objectifs et les opérations à mettre en œuvre par l’Etat malagasy.

Le MAEP à travers la DPV et la DSV  joue un rôle important dans la lutte contre la résistance aux antimicrobiens. En effet le ministère se doit d’effectuer un contrôle et un suivie stricte au niveau de la distribution et la vente des médicaments, d’effectuer un contrôle des quantités d’antimicrobiens utilisés en production animale et d’effectuer un  renforcement des capacités des techniciens et acteurs. Le ministère prévoit également de mettre en place un laboratoire de contrôle afin de vérifier la qualité des médicaments.

La cérémonie organisée avec l ‘ appui de l’OMS était une occasion pour tous les acteurs et parties prenantes de marquer leur soutien et engagement pour la mise en œuvre du PAN-RAM en apposant leurs signatures sur un tableau de positionnement.

Retour

Comments are closed.